Actualités

Fampianarana Fa tena hopotehana mihitsy ve ?


  • Zoma 13 Jolay 2012

Anisan'ny fampanantenana nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny propagandy fifidianana Ben'ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny 2007 ny fanomezana fampianarana maimaimpoana ho an'ireo mpianatra mpanala fanadinana.

 Notanterahany izany raha tonga teo amin'ny fitondrana izy tamin'ny 2009. Tsaroana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin'izany fotoana, Razafimanazato Julien nitety sekoly ary nandray tsoaka nampianatra mihitsy. Nambara avy eo fa nitombo ny isan'ny mpianatra afaka fanadinana, ary tena nahitam-boka-tsoa ilay "cours gratuit". Telo taona aty aoriana dia hafa tanteraka ny zava-miseho. Miha dondrona hatrany ny mpianatra malagasy, mikorontana ny fampianarana, efa ho taom-pianarana iray ny fitokonana. Ny mpitondra fanjakana toa tsy mikaroka ny tena vahaolana mahomby, fa maika hamita fanadinana fotsiny. Mampametra-panontaniana ihany ny tena tian'ny fitondrana tetezamita hahatongavana amin'ny fanaovana "requisition". Moa ve tsy misy fifampiresahana azo atao intsony fa tsy maintsy miroso amin'izany ? Sehatra tena saropady ny fampianarana ka mila fitandremana ny famahana ny olana ao aminy. Misy mihitsy aza ny olona mieritreritra, fa sao lahy misy tetika maizina hamotehana ny fampianarana sy ny mpianatra malagasy any ambadimbadika any ! Efa niaraha-nahita fa tsy nahavaha olana teto ny fampiasan-kery sy fanararaotam-pahefana, kanefa dia io ihany no mbola vahaolana mahamaika ny FAT ka ampihariny amin'ny sehatra rehetra. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT