• Alarobia 16 Janoary 2013
Actualités.Kaominina Antsirabe Tonga ireo fiara handraofana fako, olana indray ny solika

Ela ny ela ka tonga ihany ilay nandrasana, dia ilay fiara be hitaterana fako nampanantenain’i Andry Rajoelina tamin’ny 16 oktobra 2012 tao Antsirabe nandritra ilay kabary fampielezan-kevitra nataony tao amin’ny kianjan’ny Voirie.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 16 Janoary 2013
Actualités.HOMI Soavinandriana Tsy mandray «prise en charge» intsony

Araka ny fantatra dia tsy manaiky intsony ny «prise en charge» ho an’ireo mpiasam-panjakana ny CHU (Centre Hospitalier Universitaire) Soavinandriana na ny HOMI no hahafantaran’ny maro azy, nanomboka ny alatsinainy 14 janoary lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 16 Janoary 2013
Actualités.Ramatoa nanao kamban-telo Nolaviny ny fanampiana azy noho ny resaka politika

Hagagana ny an’ireo mpanatitra mpiteraka sy ireo tera-bao tao amin’ny hopitaly be Toamasina ny alakamisy 10 janoary teo, raha nahita ity ramatoa iray niteraka kamban-telo nanda ny fanampiana nomena azy

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 16 Janoary 2013
Actualités.Mahantra ny Malagasy Mahazo vahana ny fivadiham-pitokisana

“Anisan’ny fihetsika nahazo vahana ary tena nosahaninay sy ireo sampana eto aminay eny anivon’ny Faritra, ny mikasika ny fivadiham-pitokisana sy ny fisolokiana. Midika izany fa mahantra ny Malagasy ka mampiasa hafetsifetsena mba hahazoam-bola sy hivelomana, satria izay no mora hahazoana vola be haingana. Resaka ara-barotra sy ara-pifanarahana ara-barotra avokoa no hitrangany”.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Janoary 2013
Actualités.Jiro any ambanivohitra Ataon’ny FAT takalonaina ny ADER

Fingana na sotasota tsotra izao. Ahiana ho foana avokoa ireo tetikasa fampidirana herinaratra any ambanivohitra efa an-dalam-panatontosana vokatry ny tsy fivoahan’ny didim-panjakana manendry ny Sekretera mpanatanteraka vonjimaika eo anivon’ny ADER (sampandraharaha misahana ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra).

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 14 Janoary 2013
Actualités.Savorovoro ao Tolagnaro Nampiato asa ny QMM, ho tapaka ny jiro, hikatona ny Port

Miditra amin’ny andro fahatelo ny fitokonana miharo sakan-dalana ataon’ny fikambanana Fagnomba tarihin-dRtoa Perle Zafinandro sy ireo mpiara-dia aminy, ao amin’ny “4 chemins” Bezavona-Mandena.

Hamaky ny tohiny
FTT