Actualités

Savorovoro ao Tolagnaro Nampiato asa ny QMM, ho tapaka ny jiro, hikatona ny Port


  • Alatsinainy 14 Janoary 2013

Miditra amin’ny andro fahatelo ny fitokonana miharo sakan-dalana ataon’ny fikambanana Fagnomba tarihin-dRtoa Perle Zafinandro sy ireo mpiara-dia aminy, ao amin’ny “4 chemins” Bezavona-Mandena.

 Samy niezaka nanelanelana tamin’ity raharaha ity avokoa rehefa mety ho tompon’andraikitra ao Tolagnaro fa niala maina. Omaly maraina aza dia mbola nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery, tsy miankina iray any Faradofay ireo mpitokona fa hiditra amin’ny dingana manaraka ary ho mafimafy kokoa raha tsy misy ny vahaolana. Noho ny fahatahorana niainga tamin’ny feo miely, dia efa miomana hangoron’entana hody hiala ny toerana misy azy ireo mpiasan’ny Qmm.

Voizin’ny sasany any an-toerana mantsy fa ho raikitra ny “opération” vahiny ? Manoloana izany rehetra izany, natsahatry ny QMM vonjimaika ny asan’izy ireo mandrapivahan’ny barazy ahafahan’ireo mpiasa manao ny asany ankalalahana. Mety hitarika voka-dratsy eo amin’ny fiainan’ny mponina anefa ny fiatoan’ny asa ao Mandena io satria dia hitarika fahatapahan’ny jiro, ny rano, indrindra ny asan’ny seranantsambo ao Ehoala. Ampahany fotsiny ireo. Tsy isalasalana fa hisy fiantraikany lehibe ratsy amin’ny asa fampandrosoana sy ny fiainan’ny mponina ny toy izany, hoy ny PDS Zafinandro Armand ka aleo alamina, hoy izy.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT