Fingana na sotasota tsotra izao. Ahiana ho foana avokoa ireo tetikasa fampidirana herinaratra any ambanivohitra efa an-dalam-panatontosana vokatry ny tsy fivoahan’ny didim-panjakana manendry ny Sekretera mpanatanteraka vonjimaika eo anivon’ny ADER (sampandraharaha misahana ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra).
Misy amin’ireo fanaikana tolobidy vaovao aza voatery natsahatra noho ity antony ity. Tamin’ny jona 2012 no nandray ny asany ny Sekretera mpanatanteraka vonjimaika amin’ny alalan’ny “Note de service” navoakan’ny ministeran’ny angovo. Zary “titre” fotsiny anefa io fanendrena io raha tsy arahan’ilay didim-panjakana manamafy azy. Hatramin’izao dia tsy misy “ordonnateur” eo anivon’ny ADER izany hoe tsy misy tomponandraikitra afaka mamoaka vola. Izay no mahatonga ireo tetikasa rehetra mikatso. Marihina fa mandritra ny filankevitry ny minisitra no andraisana didim-panjakana ka ny filohan’ny FAT no manasonia azy. Tetik’Ambohitsorohitra mihitsy izany no mampikatso ity sampandraharaha ity raha zohina. Niandry izay fiovan-kevitry ny mpitondra ambony ihany ny Ministeran’ny angovo saingy tsy nisy mihitsy izany.
Nampiasa ny fahefana omen’ny lalàna azy araka izay voalaza ao amin’ny andininy faha-22 ao amin’ny didim-panjakana manangana ny ADER ny “Conseil d’orientation” tamin’ny 17 aogositra 2012. Nandefa sosokevitra amin’ny fanjakana foibe mba hamoahana ilay didim-panjakana manendry ny Seketera mpanatanteraka vonjimaika ireo mpikambana rehetra ao amin’io filankevitra io. Mbola nanao bemarenina ihany anefa ny FAT ary mitohy hatramin’ny datin’andro anio. Nivoaka amin’ny fahanginany tsy fidiny araka izany i Diaure Hamada, ilay Sekretera mpanatanteraka atao ankilabao ka miantso mba hamahana haingana ity olana ity. “Fokontany miisa 124 sy tanàna 97 izay tokony hahazo jiro no miandry fotsiny ankoatra ireo mpiasan’ny orinasa madinika mitantana orinasa mpamokatra herinaratra.
Tsy sahy manome vola intsony koa ireo mpamatsy vola toy ny banky iraisam-pienena, ny Vondrona Eoropeanina, ny CIRAD, ny GIZ, ny PNUD; tsy lazaina intsony ny ahiahian’ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika”, hoy i Diaure Hamada. Ny 5 oktobra dia nandefa taratasy tamin’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer mihitsy ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, Leonidas Tezapisdis nampitandrina fa tsy hahazo ny anjara vola tokony ho azony amin-dry zareo ny ADER, mbola noho io antony voalaza io ihany. Sahala amin’izay koa ny votoatin’ny taratasy ofisialy nalefan’ny tomponandraikitry ny asa misahana an’i Afrika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Nilaza ramatoa Haleh Bridi fa tsy afaka mamatsy vola tetikasa fampidirana herinaratra vaovao ry zareo. Marihina anefa fa tsy ny vola no tsy misy ao amin’ny ADER entina hampiroboroboana ity sehatra ity. Na dia tsy mbola naharay ny anjara volany avy amin’ny Fonds National de l’Électricité hatramin’ny 2011 aza mantsy ity sampandraharaha ity dia manana tahiry 15 miliara izy amin’izao. Mitotaly hatrany amin’ny 10 miliara Ariary koa ny saran’ireo fitaovana mipetra-potsiny amin’izao toy ny “câble” sy ny “transformateurs”. Marihina fa tsy tompona tetikasa akory ny ADER fa mpamatsy vola sy manome tosika ara-teknika koa. Afaka manome hatrany amin’ny 70%-n’ny sarany ilain’ny orinasa mahazo ny tsena amin’ny alalan’ny tolobidy izy. Vola tsy averina io 70% io fa tsy indramina akory.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.