Actualités

Mahantra ny Malagasy Mahazo vahana ny fivadiham-pitokisana


  • Alarobia 16 Janoary 2013

“Anisan’ny fihetsika nahazo vahana ary tena nosahaninay sy ireo sampana eto aminay eny anivon’ny Faritra, ny mikasika ny fivadiham-pitokisana sy ny fisolokiana. Midika izany fa mahantra ny Malagasy ka mampiasa hafetsifetsena mba hahazoam-bola sy hivelomana, satria izay no mora hahazoana vola be haingana. Resaka ara-barotra sy ara-pifanarahana ara-barotra avokoa no hitrangany”.

 Izay no nambaran’ny kaomiseran’ny polisy ara-toekarena ao Toamasina mikasika ny andavanandron’ny olona sy ny mpandraharaha. Ireo mpitsara nanontaniana kosa no nilaza fa “tarazon’ny krizy sy ny fisian’ny fanelanelanana be loatra amin’ireo olona voaenjika ary fahitana ny ataon’ny mpitondra fanjakana, ny olona sasany mba manao ihany koa, satria izay ihany no vola haingana hahafahana miaina tahaka ny mpitondra fanjakana sy ireo olona ‘mpibizina’ eto amintsika”.

Raha jerena ny tarehimarika ny taona 2012, tamin’ireo antontan-taratasy 1.326 noraisin’ny polisy ara-toekarena Toamasina, dia ity resaka fivadiham-pitokisana ity avokoa ny 650 ary fisolokiana ny 227. Niisa 368 ireo olona nohazonina fonja vonjimaika ka 331 amin’izany dia lehilahy avokoa raha 37 ny vehivavy. Ny Faritra Atsinanana no lohalaharana, izay nahatratra 354 ny tranga fivadiham-pitokisana raha 138 ny fisolokiana, manaraka azy ny faritra Analanjirofo izay nahatratra 202 ny fivadiham-pitokisana raha 60 ny fisolokiana ary Alaotra Mangoro no fahatelo izay 94 ny fivadiham-pitokisana raha 35 ny fisolokiana.

Ankilan’ireo dia nahazo vahana koa ny fampiasana hosoka niisa 46 sy fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka niisa 24, ankoatra ireo tsy nandalo fanadihadiana fa nisy raharaham-pihavanana teo amin’ny roa tonta izay efa an-jatony, araka ny fanazavana azo. Ankoatra izay dia vola ana miliara no very sy nisiana olana noho ireo tranga ny taona 2012 ireo, satria manodidina ny roa tapitrisa hatramin’ny 100 tapitrisa Ariary ny nifanolanan’ireo mpiady. Resaka jirofo, enta-madinika ary findramam-bola ny ankamaroan’ny raharaha, ka ny 60% dia ireo vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary avokoa.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT