Araka ny fantatra dia tsy manaiky intsony ny «prise en charge» ho an’ireo mpiasam-panjakana ny CHU (Centre Hospitalier Universitaire) Soavinandriana na ny HOMI no hahafantaran’ny maro azy, nanomboka ny alatsinainy 14 janoary lasa teo.
Izany hoe tsy maintsy mandoa vola amin’ny zava-drehetra eny amin’io hopitaly io amin’izay ny mpiasam-panjakana, na ny hofan’ny efitrano hitoerany io, na ny saran’ny fizaham-pahasalamana ataon’ny dokotera na ireo fitsirihana na analyse maro samihafa atao. Ny fanafody moa dia efa tsy maintsy aloa vola eo no ho eo ihany ao amin’ny farmasian’ny hopitaly fa rehefa avy eo vao karakaraina ny taratasy momba ny «remboursement», izay mitarazoka dia mitarazoka koa ny fahazoana azy. Araka loharanom-bovaonay dia misavovona be ny vola tsy voaloan’ny fanjakana amin’ny HOMI. Misy ministera iray, efa 5 miliara Ariary be izao ny trosany amin’ity «prise en charge» ity. Tena sempotra ny hopitaly noho izany satria lasa vesatra ho azy, ireo mpiasam-panjakana, ka izay no mety antony nampiatoana ny resaka “prise en charge” aloha.
Mandalo krizy rahateo ny eto amintsika ka tsy misy intsony ny orinasa afaka miasa fotsiny amin’izao na tsy mandray vola izany (afa-tsy ny Colas), na mety hahazo ihany fa afaka taona maromaro. Voaporofo indray tamin’ity tranga ity fa tsy manambola ny fanjakana, matoa efa manadino na tsy miraharaha tsotra izao ny lafiny ara-pahasalamana. Inoana marimarina kokoa fa tsy maintsy hampiaka-peo amin’ity resaka fanafoanana ny “prise en charge” ity indray, atsy ho atsy ny mpiasam-panjakana raha toa ka tsy misy ny vahaolana haingana. Ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakana mantsy dia tsy manana ny fahafahana hiala vola amin’ny resaka fitsaboana izany, indrindra fa raha sanatria tsy maintsy hiditra hopitaly, efa iaraha-mahalala ihany fa kely ny karaman’ny mpiasam-panjakana eto amintsika.
Tamin’ny herintaona dia efa nanana olana tamin’ny resaka ôksizena sy tahirina ra ireo hopitalim-panjakana lehibe teto Antananarivo, noho ny tsy fisian’ny vola ihany io, izao indray dia naato ny “prise en charge”, ny fitakian’ny dokotera sy ny PARAMED amin’izany tsy tena mbola voalamina tanteraka. Izany ny olana ara-tsosialy tena miantraika mivantana amin’ny vahoaka isan’andro, saingy tsy afaka nisoroka izany i Andry Rajoelina fa naleony mandany vola nanamboatra kianja sy tohatohabato e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.