Actualités

Ramatoa nanao kamban-telo Nolaviny ny fanampiana azy noho ny resaka politika


  • Alarobia 16 Janoary 2013

Hagagana ny an’ireo mpanatitra mpiteraka sy ireo tera-bao tao amin’ny hopitaly be Toamasina ny alakamisy 10 janoary teo, raha nahita ity ramatoa iray niteraka kamban-telo nanda ny fanampiana nomena azy

 Nisy aza niloa-bava mihitsy fa vokatry ny resaka politika ve no andavana fanampian’olona tahaka izao ? Tsy mitsinjo an-janany ity ramatoa ity, hoy ny sasany fa entin’ny hambom-po politika diso toerana ka lasa manaotao foana. Ny 10 janoary teo, raha nahare amin’ny maha mpanao asa soa azy Rtoa Mahavimbina Geralda sy amin’ny maha reny azy dia saika hanampy ity reny nanao kamban-telo ny sabotsy 5 janoary teo. Vola telo hetsy Ariary no saika hatolony.

Tsy tahotra tsy henatra anefa ity ramatoa ity, noho ny maha mpitolona “manara-penitra” azy eo anivon’ny antoko MTS na “Malagasy Tonga Saina” dia nanda ny fanampiana azy, sy mbola nanosi-bohon-tanana an-dRtoa Mahavimbina Geralda. Nalahelo ramatoa vadin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ka nitsaitsaika moramora. Ireo mpiara-manao asa soa aminy dia nilaza fa efa lasa lavitra raha izao ny fanaovana politika, adino hatramin’ny zon’ny zaza.

Amin’ny resaka politika, dia efa tonga eny amin’ny mpikambana MTS ny fankahalana ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, izay efa mpitranga matetika amin’ny tsy fahitana an’Atao Ratsiraka Roland amin’ny fanasan’Atoa Mahavimbina Alain. Eo koa ny ady vaky mivantana  eo amin’ny MTS sy ny TGV. Izao izany ilay krizy “manara-penitra” nentin’ny FAT efa-taona izao. Efa hita taratra sahady ny zavatra hitranga afaka efa-bolana eto amintsika raha…

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT