Actualités

Kaominina Antsirabe Tonga ireo fiara handraofana fako, olana indray ny solika


  • Alarobia 16 Janoary 2013

Ela ny ela ka tonga ihany ilay nandrasana, dia ilay fiara be hitaterana fako nampanantenain’i Andry Rajoelina tamin’ny 16 oktobra 2012 tao Antsirabe nandritra ilay kabary fampielezan-kevitra nataony tao amin’ny kianjan’ny Voirie.

 Telo volana katroka aty aoriana vao tanteraka ny fanamby napetrany tamin’izany ka angamba raha tsy nisy ny fivoizana azy an-gazety matetika. Ny alatsinainy 14 janoary lasa teo no nandraisana ireo fiara roa anjaran’Antsirabe ka ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra sy ny PDS no tonga naka izany teny amin’ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany Anosy tamin’io fotoana io, ary rehefa tonga dia naranty eo anoloan’ny Kaominina Ambonivohitra mba ho hitan’ny olona fa tsy tonga dia niasa avy hatrany, ary raha ny re dia mbola hisy lanonana fandraisana azy roa ataon’ny tanànan’Antsirabe sy ny faritra mba hamonoana vorona angaha ? Raha tsiahivina moa dia nisy ny fanoloran’i Andry Rajoelina fiarabe iray ho an’Antsirabe tamin’izay fotoana izay saingy tsy mbola niposaka akory ny masoandro ny 17 oktobra 2012 dia nanjavona ilay fanomezana avy eo dia nolazaina fa hosoloina lehibe kokoa. Tsy nisy valaka tamin’ilay natolotra nanaovana fampisehoana tao amin’ny Voirie ihany no tonga saingy ny lokony ihany no niova ho vony manompo volomboasary raha fotsy ny taloha.

Miandry ilay fampanantenana nataon’ny PDS amin’ny hanadiovana ny tanànan’Antsirabe ho 200% amin’izay ny mponin’Antsirabe satria izay no fanamby napetrany tamin-dRajoelina ka ho hita eo ny adiny fa raha ny resaka re dia na ny solika entina hiasan’ireto fiara be ireto aza hanalana ny fako dia mbola tantara ho an’ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe. Andrasan’ny maro koa ny fanatanterahana ny fampanantenana hafa nataon’ny PDS sy ny filohan’ny FAT dia ny fanamboaran-dalana izay efa mampiteny ny moana mihitsy sy ny fananganana ilay Oniversite ho an’i Vakinankaratra izay efa litania be ataon’ny mpitondra ao an-toerana ihany koa isaky ny miresaka amina haino aman-jery izy ireo, izay nolazaina tamin’izany fa afaka iray volana dia hapetraka ny vatofototra saingy mbola any ankibon’ny omby aloha hatreto. Ho hita eo indray ny tohin’ny tantara !

 

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT