• Zoma 22 Martsa 2013
Actualités.Gaboraraka ny fadintseranana Sokatra 75 arovana mafy, any Thailandy vao sarona

Mbola ilaina ve ny sampandraharahan’ny fadintseranana sy ny borigady manara-maso ny seranam-piaramanidina ? Mivoaka malalaka eto amintsika avokoa mantsy rehefa harem-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 22 Martsa 2013
Actualités.Ilakaka Miakatra ny feo vokatry ny fahatapahan-jiro

Atahorana hivadika tranga hafa tanteraka ny vokatry ny tsy fandehanan’ny jiro any Ilakaka. “Miala Maherilah fa mampijaly vahoaka. Jirama no ilainay”.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Martsa 2013
Actualités.Donak'afo : Iza no diso ?

Nandre tsara ny antson’ireo mpianatra malagasy any Chine ny filohan’ny tetezamita ary nanapa-kevitra ny hihaona amin’izy ireo any Macao ny zoma (rahampitso) ho avy izao. Tokony ho fantatra mandritra io fihaonana io ny olana rehetra mianjady amin’ireto mpianatra ireto, ny antony nahatonga izany olana izany, ary ireo tompon’andraikitra tamin’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Martsa 2013
Actualités.CENIT Manome antoka ny fahadiovan’ny lisi-pifidianana

Nanazava misimisy kokoa momba ilay programa informatika na logiciel SIGEM hikirakirana amin’ny alalan’ny solosaina ny lisi-pifidianana ny CENIT omaly. Nanome toky Rtoa Atallah Béatrice sy ireo mpiara-miasa aminy fa efa voadinika sy voasedra tsara ity SIGEM, niaraka tamin’ny teknisianina malagasy sy ny manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, ary tsy tokony hisy ahiana intsony ny fampiasana azy amin’ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Martsa 2013
Actualités.Miaramila frantsay teo aloha Voatora-bato fa hoe mpangala-jaza

Taorian’ilay Frantsay matin’ny fisotroana ronono izay tsy zakan’ny vatany araka ny baikon’ny mpitsabo tao Tanamakoa ny herinandro lasa iny, dia teratany Frantsay hafa indray omaly no niharan’ny hatezeram-bahoaka sy voatora-bato tao Antseranampasika.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Martsa 2013
Actualités.Voin-kava-mahatratra Tsy hita tabilao ireo mpanao politika zanak’i Toliara mpisolelaka

Ny CST Maharante Jean de Dieu ihany no mba nihetsika sy nizara fanampiana lamba sy vary ary vola ireo mpiray tanindrazana traboina.

Hamaky ny tohiny
FTT