Actualités

Donak'afo : Iza no diso ?


  • Alakamisy 21 Martsa 2013

Nandre tsara ny antson’ireo mpianatra malagasy any Chine ny filohan’ny tetezamita ary nanapa-kevitra ny hihaona amin’izy ireo any Macao ny zoma (rahampitso) ho avy izao. Tokony ho fantatra mandritra io fihaonana io ny olana rehetra mianjady amin’ireto mpianatra ireto, ny antony nahatonga izany olana izany, ary ireo tompon’andraikitra tamin’izany.

 Tsy nanapa-kevitra samirery ny handranto fianarana any Chine mantsy ireto mpianatra ireto, fa matoa tonga tany dia nanaiky izany ny fitondram-panjakana malagasy, ary nisy manampahefana nanasonia ny taratasy rehetra. Tsy azo lavina kosa anefa fa mety nisy zavatra tsy nety tao anatin’izany rehetra izany ary tsy afaka miala bala ny fitondrana tetezamita, fa rehefa nekena hianatra any ampita ny mpianatra Malagasy dia tsy maintsy omena vatsim-pianarana ara-dalàna isam-bolana. Tsy mba tahaka ny eny Ankatso na any Barikadimy mantsy izany any Chine ka hoe rehefa tsy ampy ny vola dia mitelefaonina ny ray aman-dreny na ny fianakaviana akaiky dia handefasana vola haingana. Tsy misy hitarainana na hanampy na hanome vola koa any.

Nisy ny tandrevaka momba ny fikarakarana ireto mpianatra malagasy any Chine ireto ary manaiky izany ny filohan’ny tetezamita matoa nanetry tena nankany an-toerana ary hihaona amin’ireo mpianatra ireo. Vahaolana no andrasana fa tsy adihevitra be, ary heverina fa efa manana hatokona ny filohan’ny tetezamita matoa sahy miatrika ireto mpianatra an-jatony ireto. Heverina koa fa tokony hisy fanapahan-kevitra hentitra raisin’ny fitondrana tetezamita amin’ireo tompon’andraikitra nanao ny tsy nety, rehefa tafaverina avy any Chine i Andry Rajoelina fa tsy sanatria alamindamina fotsiny ny resaka, dia zaraina ny vola dia izay no vita. Ho hita eo indray raha tena sahy hanapa-kevitra sy hanasazy izay nanao ny tsy nety ny filohan’ny tetezamita, na hanao be vava fotsiny eny Ivato fa tsy misy akory ny fepetra raisina avy eo. Miandry ny rehetra !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT