Actualités

Gaboraraka ny fadintseranana Sokatra 75 arovana mafy, any Thailandy vao sarona


  • Zoma 22 Martsa 2013

Mbola ilaina ve ny sampandraharahan’ny fadintseranana sy ny borigady manara-maso ny seranam-piaramanidina ? Mivoaka malalaka eto amintsika avokoa mantsy rehefa harem-pirenena.

 Ao anatin’izany ny volamena sy vato sarobidy hafa ary koa ny sokatra. Vao nisy sokatra Malagasy miisa 75 indray mantsy saron’ny fadintseranana Thailandey tao amin’ny seranam-piaramanidina Suvarnabhumi ao Bangkok tamin’ny talata 19 martsa teo. Fiaramanidina niainga teto Madagasikara ny androtr’io, nandalo tao Nairobi no nitondra ireo sokatra ireo. Misy karazany moa ireto biby ireto dia ny Angonoka “Astrochelys niphora” niisa 54 sy sokake “Astrochelys radiata” niisa 21. Samy tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ireo sokajina sokatra ireo ary samy ahiana ho lany tamingana avokoa.

Ao anatin’ny lisitry ny zavaboahary arovana mafy na CITES 1 izy ireo. Ilay karazany voalohany dia voalaza fa tena vitsy an’isa dia vitsy an’isa tokoa erantany ary tombanana ho 400 eo ho eo monja no isan’ireo velona amin’izao fotoana. Olona 2 no efa voasambotra sy ampelatanan’ny fitondrana Thailandey amin’izao. Vehivavy teratany Malagasy, 25 taona izay nitondra ireo entana ireo niainga taty Madagasikara ny voalohany raha Thailandey saika handray ireo sokatra tao amin’ny seranam-piaramanidina Suvarnabhumi kosa ny faharoa. Hotsaraina amin’ny lalàna Thailandey izy 2 ireo. Nomarihan’ny Dr Theerapat Prayurasiddhi, talen’ny National Parks, Wildlife and Plant Conservation Thailandey izay mitovy amin’ny MNP Malagasy fa vao voasambotra tamin’ny raharaha mitovitovy amin’ity nahatrarana azy ity ilay lehilahy Thailandey saika handray ireo entana ireo tamin’ity taona ity ihany. Nambaran’io tomponandraikitra io fa misy mpiray tsikombakomba aminy amin’ireo mpiasan’ny fadintseranana Thailandey matoa izy tafidtra malalaka ao amin’ny faritry tsy azon’olontsotra aleha. Olana iraisan’ny firenena roa tonta izany ity fadintseranana ity.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT