Actualités

Voin-kava-mahatratra Tsy hita tabilao ireo mpanao politika zanak’i Toliara mpisolelaka


  • Alakamisy 21 Martsa 2013

Ny CST Maharante Jean de Dieu ihany no mba nihetsika sy nizara fanampiana lamba sy vary ary vola ireo mpiray tanindrazana traboina.

 Ny sasany izay mitabataba isan’andro amin’ny haino aman-jery ary milaza sy misora-tena mahavita azy sy hanavotra ity firenena latsaka an-katerena ity, nefa tsy hita tabilao. «Mivangongo ao Antananarivo variana amin’ny adilahy politika sy ny fifandroritana ary ny fifampitsikerana sy ady seza. Na dia fihatsaram-belatsihy kely ho an’ny tanindrazana amin’izao voin-kava mahatratra izao tsy nataony akory», hoy ny tolokon’ireo vahoaka longony traboina any Toliara sy ny manodidina. «Izahay no hitsara azy ireo amin’ny fifidianana. Ny voina toy izao no mitaky fiaraisankinam-pirenena azo tsapain-tanana, ka nandrasanay ny zanakay avy aty Atsimo hatry ny ela», hoy ity Tangalamena nangataka tsy tononina anarana eto. Nohamafisiny tsy niolaka fa «ny mpanararaotra politika avy any amin’ny faritra hafa indray no mifandrombaka mihazo aty aminay, fa ny zanakay tsy hita popoka».

Ny hafa mpikaramanady politika moa dia tsy menatra intsony manaraka tompon’andraiki-panjakana ambony mba te-ho hitan’ny vahoaka sy manao tsidi-pahitra ny tany niaviny, nefa midradradradra foana saika isan’andro vaky izao fa ho kandidà sady “favori” hono. Ilay iraika lahy iny moa dia nitsoaka sy nanao tongotra ankatoka niala eto mihitsy fa tsy nahatanty ny tsipy hoditr’akondron’ireo namany mpisolelaka sy mpitanty ràn-kena.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT