Actualités

Miaramila frantsay teo aloha Voatora-bato fa hoe mpangala-jaza


  • Alakamisy 21 Martsa 2013

Taorian’ilay Frantsay matin’ny fisotroana ronono izay tsy zakan’ny vatany araka ny baikon’ny mpitsabo tao Tanamakoa ny herinandro lasa iny, dia teratany Frantsay hafa indray omaly no niharan’ny hatezeram-bahoaka sy voatora-bato tao Antseranampasika.

 Raha ny angom-baovao dia efa nanomboka ny talata alina ny raharaha izay voalazan’ireo mponina, fa nahenoan’izy ireo feon-jazakely nitomany tao amin’ny “villa” misy azy mivady, nefa izy ireo tsy niteraka ary tsy manan-janaka tezaina ihany koa. Teo no nipoitra ny resaka hala-jaza ka nahatonga ny tora-bato ny trano fonenan’izy mivady izay miaramila frantsay teo aloha ilay vazaha. Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny raharaha raha nilamindamin-dratsy ny talata alina. Tonga hatramin’ny polisin’ny FIP nanakana ireo mponina. Tonga ihany koa avy eo ny masoivoho frantsay ao Toamasina sy ny mpisolovava nalain’ilay teratany frantsay nahiahiana ary ny Kaomisera misahana an’i Toamasina I.

Tao anatin’izay anefa dia nitohy hatrany ny tora-bato izay tonga hatramin’ny fikasana handoro ny trano sy ny ho famonoana azy mihitsy. Tsy azo ifandaminana ilay teratany frantsay miaramila teo aloha, fa ny hampiasa ny basy sy fitaovam-piadiana teny aminy hiarovan-tena ihany no ambetin-teniny izay miaraka teny ratsy variraraka, na niezaka nandamina aza ireo mpanelanelana rehetra, izay samy niala moa ny farany. Hatramin’ny omaly hariva, dia tsy mbola niala tao amin’ny tranony ity teratany frantsay sy ny vadiny araka ny fangatahan’ny mpitandro ny filaminana sy ny masoivoho frantsay mba handaminana ny raharaha, izay tsy mbola neken’izy ireo omaly maraina. Ireo mponina ihany koa anefa tsy manaiky lembenana fa maneho hatrany ny hatezerany, ka ho hita eo ny tohiny.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT