Actualités

Ilakaka Miakatra ny feo vokatry ny fahatapahan-jiro


  • Zoma 22 Martsa 2013

Atahorana hivadika tranga hafa tanteraka ny vokatry ny tsy fandehanan’ny jiro any Ilakaka. “Miala Maherilah fa mampijaly vahoaka. Jirama no ilainay”.

 Io no sorabaventy miranty ao an-tanànan’Ilakaka, mariky ny tsy fahafalian’ny mpanjifa te hitroatra. Amin’izao ora anoratanay izao dia miaina ao anaty haizina sy fijaliana ny any amin’ity toerana malaza betsaka safira sy manan-karena ity, saingy olana amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka ny jiro, ka mampikatso ny asa fihariany ny tsy fisian-jiro hananika ny efa-bolana izao, vokatry ny fahasimban’ny “Eolienne 80kWh” namatsy herinaratra ny tanàna. Nambaran’ny lehiben’ny Fokontany Manjolike, nandritra ny fidinany tany an-toerana, fa “tsy tapaka mihitsy ny fandoavan’ny vahoaka mpanjifa miisa 1 600 ny saran-jiro isam-bolana farafahakeliny iray hetsy Ariary ho an’ny tokantrano tsy mampiasa afa tsy fahitalavitra. Tafakatra iray tapitrisa ny aloan’ireo mpivarotra”.

 

Araka ny voalazan’ity sefo Fokontany ity hatrany dia tsy tokony ho simba ny fitaovana raha nisy ny fikarakarana. Nomarihany fa efa ho folo taona no nampiasan’ny tanànan’Ilakaka ny jiron’i Maherilah, mpandraharaha tanora mitantana orinasa tsy miankina, sady mpiangaly fifaninanana mitondra moto. Tsy nionona fotsiny amin’ny fahavoazana manjo azy ny vahoaka fa nitady ny fomba rehetra hamahana ny olana. Ny 25 martsa izao dia hihaona amin’ny tompon’andraikitra samihafa eto an-drenivohitra ny solontenan’izy ireo. “Jirama no ilainay fa tsy Maherilah mpikatramo”, hoy ny antsoantson’ny mpanjifa manerana ny tanàna ho lakolosy fanairana ny sain’ny tompon’andraikitra.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT