Actualités

CENIT Manome antoka ny fahadiovan’ny lisi-pifidianana


  • Alakamisy 21 Martsa 2013

Nanazava misimisy kokoa momba ilay programa informatika na logiciel SIGEM hikirakirana amin’ny alalan’ny solosaina ny lisi-pifidianana ny CENIT omaly. Nanome toky Rtoa Atallah Béatrice sy ireo mpiara-miasa aminy fa efa voadinika sy voasedra tsara ity SIGEM, niaraka tamin’ny teknisianina malagasy sy ny manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, ary tsy tokony hisy ahiana intsony ny fampiasana azy amin’ny fifidianana.

 Tamin’ny 2008 no efa nisy ny SIGEM, raha toa ka nisy ny zavatra tsy tomombana tao anatiny, dia efa nisy ny fanatsarana nezahana natsofoka, ary natao ny ezaka rehetra mba hahatomombana ny anaran’ny mpifidy sy ny mombamoba azy. Hita avy hatrany, ohatra, ny fiverimberenan’ny anarana mpifidy iray vantany vao ampidirina ny laharan’ny kara-panondrom-pireneny. Nisy ihany koa ny paikady nahafahana mitily avy hatrany ny fahadisoana amin’ny zavatra soratan’ireo “opérateur de saisie”. Nisedra fanadihadiana manokana nandritra ny 15 andro tamin’ny jolay 2012 ity SIGEM ity ary dia nanaiky azy ny Firenena Mikambana sy ny OIF. Tsy vitan’izay fa araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENIT dia mbola nanaovana andrana teto Antananarivo (Boriboritany faha-3 sy faha-6) ary tany Manjakandriana sy Andramasina ihany koa ny SIGEM, ary hita sy tsapa fa mety ilay izy.

Nahazo fanofanan manokana ihany koa ireo olona rehetra hikirakira ity logiciel ampiasaina amin’ny fifidianana ity, raha araka ny fanazavana azo omaly ihany. Notsongaina tao anatin’ny maro ny logiciel SIGEM, ary io no tena naharesy lahatra, araka ny fanambaran’ny CENIT ihany. Nanome toky Rtoa Atallah Béatrice fa tsy tokony hisy atahorana na ahiana ny fikirakirana ny voka-pifidianana, noho izany. Tsara homarihana fa nisy vondrona mpikaroka sy manampahaizana Malagasy efa nandroso ny logiciel “e-fidy” saingy tsy neken’ny Firenena Mikambana sy ny CENIT izany. Efa miresaka ny CENIT ihany dia tsara ny manamarika fa hotanterahana rahampitso zoma eny amin’ny Galaxy Andraharo ny fanasoniavana ny fandaharansa fanohanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara na ny PACEM, ka hanolotra vola iray tapitrisa dolara indray ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana na ny COI, araka ny efa nampanantenainy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT