• Sabotsy 20 Jolay 2013
Actualités.TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 20 Jolay 2013
Actualités.Vola rotidrotika sy feno «scotch» Nivoaka daholo indray taorian’ny fanambaran’ny Banky Foibe

Herinandro monja taorian’ny fanambarana nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara dia novoaka daholo ary nameno ny tsena rehetra teto an-drenivohitra indray ireo vola rotidrotika sy feno “scotch” isan-karazany raha efa saika tsy nahita azy ireny intsony teto Iarivo nandritra ny roa volana mahery kely teo izay.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Jolay 2013
Actualités.Pro Ravalomanana Ampy izay ny fifanomezan-tsiny sy ny fanilihana andraikitra

Tao anatin’ny fanatanterahana didim-poitra faobe an’ireo kilonga nahatratra 50 mahery avy amin’ny Fokontanin’i Manjakaray, Amboditsiry ary Anjanahary omaly no nanararaotan’ny fikambanana Pro Ravalomanana tarihan’ny filohany, Rabary Allain Dieudonné Alphonse Jean, nanehoan-kevitra mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Jolay 2013
Actualités.Kolikoly Mirongatra nefa nihena ny fitoriana

Nandritra ilay andro natokan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ho an’ny tambajotra ho an’ny fahamarinana sy ny fahitsiana notanterahina teny amin’ny foiben-toerany teny Ambohibao ny alarobia 17 jolay 2013 lasa teo no nampahatsiahivan’ny Tale jeneralin’ny Bianco, Rabetrano Faly ny andraikitra sahanin’ity sampandraharaha miady amin’ny risoriso eto Madagasikara ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Jolay 2013
Actualités.CST Randriamampionontsoa Lantonirina Safidy roa lehibe no eo am-pelatanan'ny vahoaka Malagasy

Naneho ny heviny mikasika ny safotofoton'ny raharaha politika misy eto amintsika ankehitriny ny CST Randriamampionontsoa Lantonirina. Nambarany fa safidy roa lehibe no eo am-pelatanan'ny vahoaka malagasy ankehitriny dia ny fanarahana ny soso-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena na ny fandavana azy ireo ny amin'ny hirosoana hatrany sy hanohanana ny filatsahan'ireo kandida miisa telo izay tsy eken'izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Jolay 2013
Actualités.Kaominina Ivahona-Betroka Noravan’ny dahalo ny CEPE

Mpianatra zato mahery no tsy afa-panadinana CEPE tsy fidiny. Izay no vokatry ny tsy fandriampahalemana any amin’iny Distrikan’i Betroka iny. Notafihin’ny malaso ny tanàna tao Ivaho ny talata 16 jolay, andron’ny fanadinana CEPE. Ny tolakandro taorian’ny nahavitan’ny taranja Malagasy no nirefotra ny poa-basy.

Hamaky ny tohiny
FTT