Tao anatin’ny fanatanterahana didim-poitra faobe an’ireo kilonga nahatratra 50 mahery avy amin’ny Fokontanin’i Manjakaray, Amboditsiry ary Anjanahary omaly no nanararaotan’ny fikambanana Pro Ravalomanana tarihan’ny filohany, Rabary Allain Dieudonné Alphonse Jean, nanehoan-kevitra mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny.
Fotoana tokony hampanjakan’ny Malagasy ny tenim-pahendrena avy amin’ny kolontsaina Malagasy manao hoe : “Ho tongotra miara-mamindra sy ho soroka miara-milanja” izao, hoy izy ireo, ho fanavotana ny Firenena. Fotoana tokony hanafoanana ny fifanomezan-tsiny sy ny fanilihana andraikitra ka mila fohazina ny soatoavina maha Malagasy ny Malagasy mba hananana ny tena fahaleovantena marina. Ho an’ny Pro Ravalomanana dia tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenena Malagasy ny GIC-M satria mandany vola sy mihinana ny haren’ny Malagasy fotsiny fa tokony ho samy Malagasy ihany no hifandamina.
Ny FFKM indray dia misionera mpandamina fotsiny ary tsy manaiky ny soatoavina sy ny tetiandro Malagasy ka tsy hahavaha olana izany, hoy izy ireo. Ireo mpanao politika moa dia mameno ny paosiny fotsiny no fantany ka tsy afaka hitondra vahaolana koa. Ny datin’ny 24 jolay saika hanaovana fifidianana indray dia nambaran’izy ireo fa mifandray tendro amin’ny 666 an’i Satana ka tsy mety amin’ny Malagasy. Nilaza moa ny Pro Ravalomanana fa tsy hisy fifidianana izany eto amin’ity taona 2013 ity. Hitohy eny Antohomadinika Boriborintany faha-3 indray ny famorana faobe hataon’ny Pro Ravalomanana anio zoma 19 jolay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.