Actualités

CST Randriamampionontsoa Lantonirina Safidy roa lehibe no eo am-pelatanan'ny vahoaka Malagasy


  • Zoma 19 Jolay 2013

Naneho ny heviny mikasika ny safotofoton'ny raharaha politika misy eto amintsika ankehitriny ny CST Randriamampionontsoa Lantonirina. Nambarany fa safidy roa lehibe no eo am-pelatanan'ny vahoaka malagasy ankehitriny dia ny fanarahana ny soso-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena na ny fandavana azy ireo ny amin'ny hirosoana hatrany sy hanohanana ny filatsahan'ireo kandida miisa telo izay tsy eken'izy ireo.

Raha ny hevitr'ity CST ity manokana anefa no sady amin'ny maha mpianatry ny CEDS azy izay nandalina manokana ny resaka diplomasia dia nambarany fa mety amintsika ny miaraka amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Porofo hita mivaingana, hoy izy, ny nanjo ireo firenena sasany toa an'i Somalia izay nanaovan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ankivy nandritra ny 12 taona ka ny fanafihana sambo sisa no lasa antom-piveloman'ny mponina. Tsy tsara, araka izany, hoy ihany ity CST ity raha misaraka amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena isika. Ny tokony hatao dia ny handaminana ireo kandida telo sy ireo mpomba azy avy izay samy mila mibanjina ny tombontsoam-pirenena avokoa. Efa tafiditra ao anatin'izany ny fandaminana ataon'ny FFKM amin'izao fotoana koa antsoina ny tsirairay mba samy haneho ny fitiavan-tanindrazana any anatiny avy fa tsy ho tia tena ka tsy hahalala afa-tsy ny tombontsoany manokana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT