Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 20 Jolay 2013


Tsy hay tohaina ny fanondranana an-tsokosoko andramena miala ao Mananara Avaratra. 50 hatramin’ny 80 tapitrisa Ariary no karaman’ny sambo iray mitatitra bolabola miala ny sisin-dranomasin’i Mananara, mankeny afovoan-dranomasina izay andraisan’ny sambo lehibe aziatika azy. Tambajotra matanjaka no manao azy, ary anarana teratany Malagasy sy Sinoa maromaro no re ao anatiny.

Tonga nitsidika ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, teny Tsimbazaza omaly, ny ambasadaoro rosiana, Vladimir Goncharenko. Araka ny fantatra dia handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny tenany rehefa niasa teto hatramin’ny 12 aprily 2006.

Nihemotra ho amin’ny 26 jolay ny raharaham-pitsarana mahakasika ny fahitalavitra tsy miankina Kolo TV sy Radio raha nahazo fampiantsoana maika hiseho eo anoloan’ny fitsarana ny tomponandraikitra tao omaly, taorian’ny fitoriana nataon’ny minisitry ny serasera, mba hanagiazana ny fitaovan’ity haino aman-jery ity.

Andrasana amin’ity faran’ny herinandro ity ny fivoahan’ny valim-panadinana CEPE eto amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra, na teo aza ny fahasarotana teo amin’ny fitsarana ny kopiam-panadinana tamin’ny foibem-pitsarana sasany ka voatery namindrana azy tamin’ny foibem-pitsarana hafa. Hivaly anio kosa ny an’Atsimondrano iray manontolo. Efa namoaka ny azy ny teny Soavina sy Tanjombato

Tapaka nandritra ny ora maromaro ny jiro tao an-tanànan’Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra omaly. Nanomboka tamin’ny efatra ora tolakandro izany, ary tsy niverina raha tsy efa tamin’ny valo ora alina mahery, tsy nisy fampilazana. Kartie maro no tao anaty haizina nandritra izany.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT