Nandritra ilay andro natokan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ho an’ny tambajotra ho an’ny fahamarinana sy ny fahitsiana notanterahina teny amin’ny foiben-toerany teny Ambohibao ny alarobia 17 jolay 2013 lasa teo no nampahatsiahivan’ny Tale jeneralin’ny Bianco, Rabetrano Faly ny andraikitra sahanin’ity sampandraharaha miady amin’ny risoriso eto Madagasikara ity.
Nambarany tamin’izany fa anjara asa sahaniny ny manao ireo fanadihadiana miainga avy amin’ny fitoriana voaray avy amin’ireo olom-pirenena ianjadian’ny tsy rariny sy mahatsiaro tena voahosihosy ny zony. Raha ny jery todika tsotsotra tamin’ity taona 2013 ity, izany hoe tao anatin’ny enim-bolana voalohany dia nisy fihenana ny fitoriana voaray. Mifanohitra amin’izay anefa ny zava-misy hita eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana satria dia mirongatra tanteraka ny tahan’ny kolikoly eny anivon’ny mpiasam-bahoaka sy ireo manam-pahefana isan-tokony, hoy ity tompon’andraikitra voalohany miady amin’ny kolikoly ity. Mbola ao anatin’ny andraikitry ny Bianco ihany koa anefa ny fanentanana amin’ny fiadiana amin’ity fihetsika mamohehatra sy mamotika ny firenena ity.
Tafiditra tamin’izany, ohatra, ny fihaonana tamin’ireo kandidà filoham-pirenena mieritreritra ny hitantana ny firenena ao anatin’ny Repoblika faha-4 tamin’ny volana mey 2013 lasa iny ka nanaovan’ireo izay vonona nanao sonia fifanekena hanaja ireo soatoavin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Ny fanampim-panazavana nomen’ny jeneraly Rabetrano Faly moa no nahafantarana fa hivoaka tsy ho ela ny antontanisan’ny fanadihadiana nataon’izy ireo tao anatin’ny telo taona. Anisan’izany ny fandalinana natao tamin’ny olom-panjakana ambony maro toy ireo minisitra, Sekretera jeneraly, talena ministera, Ben’ny tanàna, delege na koa mpampianatra eny amin’ny oniversite sy ny maro hafa tsy voatanisa. Dia samy miandry ny rehetra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.