• Alakamisy 29 Novambra 2012
Actualités.Ankety momba ny any atsimo Be sahady no mipararetra

Io ary ilay efa nampoizina fa dia mitaky ny hanaovana fanadihadiana manokana momba ny zava-nitranga tany atsimo ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Mahazoarivo, nandritra ny fihaonan’ireo masoivoho vahiny eto amintsika tamin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana, izay notarihan’ny praiminisitra Omer Beriziky.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Novambra 2012
Actualités.Afera boaderôzy Niala tamin’ny fahanginany ny Dr Emmanuel Rakotovahiny

Tsy misy aloha hatramin’izao ny fanendrena ny minisitry ny tontolo iainana vaovao fa mbola ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Omer Beriziky, no misahana vonjimaika io departemanta io, ary Atoa Emmanuel Rakotovahiny, iray amin’ireo mpanolotsaina 50 manodidina azy, no nalefany hisolotena azy ao amin’ity ministera ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Novambra 2012
Actualités.Fahitalavitra TV Plus «Fanomezako ho an’i Toliara», hoy i Siteny

Hangotraka sy hiavaka ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny fahitalavitra TV Plus ao Toliara, ny sabotsy izao, raha ny zava-misy sy ny fanomanana roa andro mialoha ny fotoan-dehibe no atao jery maimaika.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Actualités.Asa fanaovan-gazety Voasokajy ho faritra mena i Madagasikara

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitra takiany no iompanan’ny fiofanana sy fifampizarana traikefa atrehana mpanao gazety 15 avy aty amin’ny faritry ny SADC atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Actualités.Tatitry ny Banky Iraisam-pirenena Apôkalipsa amin’ny 2060 ?

Manaitra ny sain’ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’i Jim Yong Kim filohany, fa ho zava-doza ny mety hitranga eto ambonin’ity tany iainantsika ity manomboka amin’ny taona 2060.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Novambra 2012
Actualités.Maninday Toliara Migrevy ny mpianatra, raikitra ny barazy

Raikitra indray ny fitokonan’ny mpianatra ao Maninday Toliara ary hafana toy ny toetr’andro any an-toerana izany.

Hamaky ny tohiny
FTT