Oniversiten’i Vakinankaratra

> Raikitra amin’izay


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013

Tsy resabe intsony ny momba ilay fananganana ny Oniversiten’i Vakinankaratra fa dia raikitra izany. Vita ny tolakandron’ny alarobia 07 aogositra 2013 ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny faritra Vakinankaratra amin’ny fananganana azy ao Antsirabe.

Ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Atoa Ramanoelina Panja mihitsy no nanao sonia ny fafanarahana niaraka tamin’ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra, Atoa Razanakolona Paul. Ho rantsan’ny Oniversiten’Antananarivo ity hosokafana ity ka voalohany izany ho an’ny Faritanin’Antananarivo raha toa ka efa nanomboka izany ny tao Toamasina. Fantatra fa efa nahazo ny «Habilitation» avy amin’ny fampianarana ambony ity rantsana hosokafana ity ka hanaraka avy hatrany ny rafitra LMD, satria ny taom-pianarana vaovao 2013-2014 io dia efa handray mpianatra avy hatrany izany. Raha ny fantatra dia ny FOFI teo aloha sy ny CFAMA no nanome vonjimaika ny efitrano hianaran’ireo mpianatra hisantatra izany.

Nanamafy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo fa fanampiana ny fanjakana mihitsy ny hevitry ny Faritra amin’ny fanokafana ity sekoly ambony ity ao Antsirabe satria raha tombanana dia mahatratra 30.000 eo ho eo ny mpianatra afaka bakalorea isan-taona ho an’ny faritanin’Antananarivo kanefa nohon’ny zava-misy sy ny fahafahana mandray dia ny 8.000 amin’ireo ihany no azo raisina raha be indrindra ka voatery mijanona ny zanaky ny sarambabem-bahoaka tsy afaka handoa saram-pianarana any amin’ny tsy miankina ka izay no nisaorany manokana ny Faritra Vakinankaratra. Raha ny nambaran’Atoa lehiben’ny Faritra dia mbola namafisiny fa eny amin’ny tanim-panjakana eny Mandaniresaka ihany no hanorenana ity foto-drafitrasa ity, izay tany mirefy 52 Ha izany ka efa mampiomana ireo olona izay manao fanorenana tsy ara-dalana eny ny tenany satria efa tsy mihemotra intsony ny fandaharan’asa ho an’ny hoavin’ny taranak’i Vakinankaratra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT