Fier Mada andiany faha-15

> Manasongadina hatrany ny vita Malagasy


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013

Nisokatra omaly alarobia 07 Aogositra, haharitra hadimiana ilay tsenabe iraisam-pirenena.

Fier Mada izay manome lanja sy vahana manokana ny vokatra vita Malagasy sy ireo vokatra azo avy amin'ny fiompiana sy fambolena. Andiany faha-15 no tanterahina amin'ity taona 2013 ity, etsy an-tokontany malalaky ny sekoly ESCA Antanimena. Nampiavaka ity andiany ity ny fitombon'ireo tantsaha avy any amin'ny faritra tonga nandray anjara, izay mahatratra 60 % ary nianto-tena avokoa raha tsy nisy afa-tsy 5 % izany tamin'ny taon-dasa. Hita ao ny trano heva mivarotra ireo karazam-bokatra azo avy amin'ny ravintsara fotsiny, toy ny vatomamy ravintsara, dite ravintsara, lohamenaka ravintsara izay azo hanorana hanalana ny mangotsoka sy marary any amin'ny vanin-taolana no sady azo araraka amin'ny mosoara azo hanasitranana ny sery ihany koa. Azon'ny olona rehetra ampiasaina izy ireo araka ny fanazavan'ny dokotera Razafinakanga Alice, ankoatra ny olona manana aretina toy ny sohika sy ny zaza menavava. Tonga nanokatra ny fotoana omaly ny praiministra lehiben 'ny governemanta notronin'ireo tompon'andraiki-panjakana maro samihafa. Mpanankato maro moa no fantatra fa hanafana ny lanonana mandritra izay dimy andro izay raha ny tarika VHF kosa no nisantatra izany omaly.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT