BEPC Cisco Toamasina I

> Nidina ny taha-pahafahan’ny mpiadina


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013

Nivaly enina andro taorian’ny fahavitan’ny fanadinana ny fanadinana BEPC ho an’ny CISCO Toamasina I. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Atoa Sambany Frédéric, dia nidina teo amin’ny 2,03% satria tsy nisy afa-tsy 35,45% ny mpiadina no afaka, izany hoe tamin’ireo mpiadina niisa 4.898 nanesorana ireo tsy tonga niisa 191 dia niisa 1.668 no afaka soamantsara.

Tamin’ny taon-dasa 2012 anefa dia nahatratra 37,48% izany. Ny fahamaroan’ireo mpiadina “mitifitra” BEPC sy ny fitomboan’ny ditran’ny mpianatra ankehitriny no voalaza fa antony maharatsy ny vokatra. Na teo aza anefa io faharatsian’ny taha io, dia tsara kosa ny naotin’ny mpianatra nahazo ny laharana voalohany izay nahatratra 17,50/20 dia i Faibato Mbolatiana Tsiory Christella, mpianatry ny kolejy Saint Joseph de Cluny Tanamakoa, sokajy A sy Tatiana Lawy Franco, mpianatry ny lycée Price Ambolomadinika, sokajy B. Ankaotra izay, dia samy tsy nahomby tamin’ity fanadinana BEPC 2013 ity kosa ilay mpiadina manana fahasembanana ara-pahitana iray sy ilay zokiolona indrindra, 60 taona. Ny alahady na ny alatsinainy izao kosa no hivoaka ny valin’ny fifaninana hidirana “seconde” eo anivon’ny lycée Rabemananjara hany tokana ao Toamasina I. Ny faran’ny herinandro izao kosa no hivoaka ny valin’ny fanadinana BEPC ho an’ny CISCO Toamasina II.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT