• Talata 21 Mey 2013
Actualités.Alain Mahavimbina Nanao ampamoaka momba ny RN5

Nivoaka ihany ny marina mikasika ny tsy fahavitan’ny lalam-pirenena faha-05 (RN5), raha efa nanaovan’ny FAT lanonana goavana ny fanombohany ny volana oktobra 2012 izay tokony ho novitaina tao anatin’ny telo volana, ary saika nitokanana azy niaraka tamin’ireo zava-bita ny 19 sy 20 janoary 2013 lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 20 Mey 2013
Actualités.Fibodoana tany etsy Ambatomainty Nitsangana nanao sonia fifampivarotana ny maty tany am-pasana ?

Mahagaga sy mahatalanjona, hoy Rafalimanana Nestor solontenan’ny mpandova an’Itompokovavy Rafara Madeleine, ny momba ny tany lovanay etsy Ambatomainty Antananarivo Renivohitra izay tsy namidinay velively mihitsy nefa dia misy olona milaza ho nividy azy ka manorina trano eo amboniny ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 20 Mey 2013
Actualités.Air Madagascar Nampihena 20% ny saran-dalany mankany ivelany

Vanim-potoana fanaovana fihenambidy amin’ny vidina tapakila ny volana mey ho an’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka satria vitsy ny mpandeha makaty Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 20 Mey 2013
Actualités.Mananara Avaratra Lasa fanjakan’ny Baroa

Toy ny tany tsy misy fanjakana ao Mananara Avaratra amin’izao fotoana izao. Manjaka ny fitsaram-bahoaka noho tondromolotra sy ny fankahalana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Mey 2013
Actualités.Fizahantany mamoafady Vazaha frantsay iray sy zanaka kolonely mpiray tendro

“Tsy mahavelona any Frantsa ny vola kely raisiko amin’ny alalan’ny RMI omen’ny fanjakana ahy, izay no mahatonga ahy mipetraka eto Toamasina ka isaky ny lany ny fivahinianako telo volana eto dia miverina any Frantsa aho, ary mijanona any herinandro dia miverina eto Madagasikara indray”.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Mey 2013
Actualités.Orinasa Ambatovy Hanala mpiasa miisa 650 ?

Mahoraka ao Toamasina fa dia “hanala mpiasa miisa 650” ny orinasa Ambatovy ka teratany vahiny miasa ao ny 150 amin’ireo ary Malagasy kosa ny 500.

Hamaky ny tohiny
FTT