Na dia tsy re isan’andro amin’ny fampahalalam-baovao aza ny FFKM dia miasa ary manohy hatrany ny ezaka fampihavanana amin’ny alalan’ny 4 F (Fibebahana, Fifamelan-keloka, Fahamarinana ary ny Fihavanana) efa natombony tamin’ny 2010. Misy ny olona mety tsy resy lahatra amin’ny hetsika ataon’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy, ao ireo velon’ahiahy, ary mety misy ny diso fanantenana.
Nisy ny fivoriana nataon’ny FFKM ny alakamisy 5 septambra lasa teo, ka araka ny nambaran’ny filohan’ny FJKM ny pastera Lala Rasendrahasina dia tatitry ny ezaka nataon’ny FFKM taorian’ny dinika ho fampihavanana tamin’ny volana aprily sy mey 2013 teny amin’ny CCI Ivato ary koa fanamafisana ny hevitra tanany sy ny fanambarana rehetra nataony tany aloha momba ny fiainam-pirenena ao anatin’izao tetezamita izao, no anton’io fivoriana io. Niezaka sy miezaka ary mbola hiezaka hatrany ny FFKM ho amin’ny Fampihavanana efa natombony, hoy izy. Manoloana ny fanakianana milaza fa nihemotra na nilavo lefona fa tsy nahavita nampihavana ny FFKM dia tsotra ny valin-tenin’ny pastera lala Rasendrahasina : «tsy misy Fiangonan’i Kristy milavo lefona na resy eo amin’ny fanatanterahana ny iraka sy sitrapon’Andriamanitra ; ny FFKM dia miezaka hatrany ho amin’ny asa Fampihavanana ary tsy hitsahatra hitaona ny olona rehetra hihavana mandra-piverin’i Jesoa Kristy indray.
Solontenan’i Kristy izahay no miangavy anareo hoe : meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo !». Nomarihany fa Fampihavanana araka an’Andriamanitra no atao amin’ny fampihaonana ezahan’ny FFKM tanterahana, fa tsy fampihavanana politika, toy izay efa nisy tany aloha akory. Tsy mihemotra izany ny FFKM fa tena miroso, hoy ny pastera Lala Rasendrahasina. Tsy mora velively anefa ny fanatanterahana ny 4F fa tena asa lavitr’ezaka. Tsy mora satria misy ny sakantsakana samihafa toy ny tsy fahatanterahan’ny fampihaonana ireo izay tokony hihaona hatreto, ny kajikajy samihafa ataon’ny mpanao politika sasany, ny hevitra ambadika isan-karazany, hoy hatrany izy. Tsy tokony ho diso fanantenana ny olom-pirenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny FJKM fa hivavaka mba hahatanteraka ny ezaka ataon’ny FFKM. Aoka hiezaka hamantatra hatrany ny sitrapon’Andriamanitra isika Malagasy, hoy izy namarana ny fanazavany.
Ilay fampihaonana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ireo filoha telo mirahalahy teo aloha dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Zafy Albert eto Madagasikara moa no anisan’ny dingana iray goavana tsy maintsy hatrehan’ny FFKM amin’ny ezaka fampihavanana ataony, eo amin’io fampihaonana io mihitsy anefa no mikatso ny raharaha satria tsy mbola manaiky ny hidiran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina sy ny ekipany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.