Fampianarana no azo hamaritana ny asa niandraiketan’ny mpampianatra sy mpanabe misy eto Madagasikara hatramin’izao fa tsy fanabeazana satria tao anatin’izay taona maro izay dia nionona fotsiny tamin’ny famitana ireo fandaharam-potoana any an-tsekoly ny mpampianatra raha ny mamolavola olona no asa tena takiana aminy, hoy ny filoha mpitantana nasionalin’ny fikambanan’ireo sekoly laika ho an’ny fanabeazana (AILE) Rakotomalala Célin.
Vokany dia manana mari-pahaizana tokoa ny ankizy Malagasy fa tsy an’asa satria tsy nofanina tamin’izany izy ireo fony mbola nanovo fahalalana tany am-pianarana. Tsy ny rafi-panabeazana izay najoro akory no ratsy, hoy ny tenany fa ny fanatanterahana ireo asa sy andraikitra voarakitra ao anatiny no foana sy poak’aty satria variana amin’ny toerana sy ny andraikitra goavana sahaniny ireo tompon’andraikitra ka adino tanteraka ny adidy masina sy sarobidy dia ny fanabeazana ny taranaka fara aman-dimby izany. Momba ny firongatr’ireo sekoly tsy miankina marobe manerana ny tanàna dia mangataka ny ministera tompon’andraikitra ny avy eo anivon’ny AILE mba hampihatra ny lalàna izay navoakany. Marobe rahateo ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanokafana sekoly tsy miankina amin’izao fotoana izao toy ny fanajàna ilay fenitra 150 metatra tsy azo hivarotana zava-pisotro mahamamo sy toeram-pilalaovana nefa tsy mandray andraikitra ny fanjakana mpanatanteraka, hoy Rakotomalala Célin. Vahaolana amin’ny famerenana ny hasin’ny fanabeazana eto amin’ny firenena ny fitiavana ilay asa fanabeazana sy ny finiavana hanatanteraka izany, hoy ihany ny filoha mpitantana ny AILE. Tafiditra ao anatin’izany ankehitriny ny fanomezana fampiofanana ireo mpanabe tena resy lahatra izay karakarain’ny fikambanana mandritra ity herinandro ity eny Andrefan’Ambohijanahary. Tanjona amin’izy ity ny hahamatihanina ireo mpanabe ka ny rafi-pitantanana foibe mihitsy no manome ny votoatin’ny fiofanana. Fepetra takiana amin’ireo mpiofana ny mari-pahaizana ara-panjakana, eo ihany koa ny fitiavana sy ny finiavana manabe.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.