Kianja sentetika

> Nampanantenan-dRajoelina tsy misy Ambatondrazaka


  • Alakamisy 12 Septambra 2013

Fampanantenana nataon’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tamin’ny 4 septambra 2009 ny hanamboarana ho kianja sentetika ny kianja Rasolonjatovo any Ambatondrazaka Nihisatra ny fanatanterahana izany fampanantenana izany ka velona ahiahy ny mpitia fanatanjahantena any an-toerana.

Samy efa nanao antso avo tamin’ny haino aman-jery ireo olom-boatendry sy tompon’andraikitra ara-panatanjahantena fa saingy tratran’ny fitenin’ny tanora hoe : “misy mihaino !”. Fantatra ihany koa fa niovaova ny fanapahan-kevitra hoentina hanatsarana ilay kianja. Raha sentetika no nampanantenaina tany am-boalohany, niofo ho bozaka natoraly izany ankehitriny. Efa mipetraka ao amin’ilay kianja ny ampahany amin’ny zezika. Nanaitra ny rehetra anefa ny tsy maha eo intsony ireo orinasa noheverina hamita ny fanamboarana ny kianja. Betsaka no miteny fa tsy aleo ve tsy nokitihina dia tsy nijaly ny mpianatra mpanao fanadinana ara-panatanjahantena sy ny mpitia baolina kitra ? Tsilian-tsofina no nahafantarana fa mbola mandinika indray ny mahamety ny fanatsarana io kianja Rasolonjatovo io ny fiadidiana ny tetezamita. Rahoviana ary no ho tanteraka ity fampanantenana efatra taona lasa ity ? Mety hiandrasana fampielezan-kevitra ve  sa ny enti-manana no tsy ampy ? Ho an’ireo mpitia fanatanjahantena any Ambatondrazaka aloha dia ny fahavitan’io kianja io farany izay haingana no hetahetany.

 

Niry A.

 

Mangadihady toy izao ny kianja

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT