Trangam-piarahamonina

> Renim-pianakaviana manery ny zanany hivarotena


  • Alakamisy 12 Septambra 2013


Efa niova tokoa ny toe-tsaina ankehitriny. Ny reny nahitana masoandro indray no manery ny zanany hanaotao foana mba hitadiavana vola. Trangam-piainana iray miteraka takoritsika etsy sy eroa any Andilanatoby Ambatondrazaka ity lazaina eto ity. Vao 13 taona razazavavy kely dia noterena hitady vola amin’ny alalan’ny fampanofana ny tenany. Asaina miaraka amin’ny lehilahy izy amin’izany dia avy eo tratrarina dia hangalana vola be ilay lehilahy miaraka aminy. Dimy taona aty aoriana mbola mitohy ny fomba ratsy fanaon’ilay renim-pianakaviana ka toriany ho manodinkodina zaza tsy ampy taona ireo lehilahy tsy mety manome vola izay ilainy. Efa betsaka ny tranga tahaka io raha tsy hilaza fotsiny ny zavatra niseho tao Antanambao Ambatondrazaka, taona vitsy lasa izay. Ny vesatry ny krizy ve no tsy zakan’ny olona intsony, sa ny toe-tsaina mihitsy no efa simba ? Mampalahelo ny zavatra miseho satria ny maha olona mihitsy no voazimbazimba sy tsy omena hasina intsony. Tsikaritra anefa fa manomboka mahazo vahana ao Ambatondrazaka ity fomba ratsy manimba ny hoavin’ny taranaka ity. Iza ary no afaka hanova izany raha tsy mandray ny andraikiny ny isam-batan’olona ?

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT