• Alakamisy 08 Aogositra 2013
Actualités.TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Aogositra 2013
Vondrona Eoropeana
Mandrangaranga sazy

Andro vitsy taorian’ny fandalovan’ny GIC-M teto Madagasikara dia namoaka fanambarana hentitra ny Vondrona Eoropeana ny alatsinainy 6 aogositra lasa teo tamin’ny alalan-dRamatoa Catherine Ashton, mpitondra teny sady tompon’andraikitra voalohany momba ny raharaham-bahiny eo anivon’ity vondrona ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Aogositra 2013
Fanjakana Frantsay
Mampitandrina ireo terataniny ho mailo

Manainga ny teratany Frantsay mipetraka na mandalo any Nosy Be ny fanjakana Frantsay mba ho mailo sy ho malina lalandava satria tsy azo antoka intsony ny fandriampahalemana any an-toerana raha araka ny fanambarana nataon’ny fitondrana Frantsay.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Aogositra 2013
Zana-dRanavalona
Hanamarika ny Alahamadibe rahampitso 08 aogositra

Raha ny 18 sy ny 19 aogositra no nanamarihana ny Alahamady na ny taona vaovao 2012 ho an'ny fikambanan'ny zana-dRanavalona dia hanomboka rahampitso alakamisy 08 aogositra indray haharitra telo andro no hanamarihany izany amin'ity taona 2013 ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Aogositra 2013
Antsirabe
Sesilany ny vaky trano

Mandry andriran’antsy ny mponina ao Antsirabe amin’izao fotoana nohon’ny afitsoky ny mpamaky trano. Saika isan’alina mantsy dia ahenoana akon’izany vaky trano izany hatrany ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Aogositra 2013
Fandefasana mpiasa any ivelany
Naaton’ny fanjakana

Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly ny volavolana didim-panjakana mampiato ny fandefasana mpiasa Malagasy any amin’ireo firenena tsy azo antoka amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny zon’olombelona.

Hamaky ny tohiny
FTT