Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny SECES sampana Antananarivo rahampitso zoma 11 oktobra 2013. Horesahina ao ny fitakiana ny fandoavana ny “heures complémentaires 2011-2012” feno 100% satria asa efa vita efa ela io, ny tsy fahazoana ny ampahany betsaka amin’ny “budget de fonctionnement”-n’ny Oniversite, ny atao hoe “franchise universitaire” sy ny tokony hanajana azy, ny fahitan’ny SECES ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ary ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny SECES
Ny talata 15 oktobra 2013 ho avy izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana faharoa handinihan’ireo Parlemantan’ny Tetezamita ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2014. Haharitra 60 andro izy io, araka ny voafaritry ny lalam-panorenana.
Noferan’ny CENI-T ho 20.001 ny isan’ny biraom-pifidianana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy raha toa ka notombanana 20.115 izany teo am-piandohana. Nofaranana omaly ny lisi-pifidianana, ka 7.823.350 eo ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, izay mety mbola hisy fiovana.
Kandida filoham-pirenena telo no indray hifanotona hanao fampielezan-kevitra ao Tolagnaro anio, dia ny kandidan’ny FFF Atoa Radavidson Andriamparany Benjamin, ny kandidan’ny MMM Atoa Hajo Andrianainarivelo ary ny kandida Hery Rajaonarimampianina.
Nikatona omaly ny lisi-pifidianana eo anivon’ny distrika 119 manerana ny nosy. Raha ny filazan’ny Ceni-T dia maherin’ny valo hetsy sy fito tapitrisa ireo mpifidy voasoratra anarana.
Mametraka fanontaniana ny olom-pirenena sasany amin’ny fomba hifidianan’ireo olona sembana eo amin’ny maso amin’ity bileta tokana ity. Azon’izy ireo atao ve ny mitondra olona manampy azy any amin’ny toerana voatokana ho amin’izany ? Tsy manan-tsafidy ve izany izy ?
JD sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.