Mbola vao ao anatin’ny fotoana fandresehan-dahatra ny olom-pirenena hanefa ny adidiny handatsam-bato amin’ny fifidianana hotanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 tokoa isika izao.
Raha ny tatitry ny zava-misy iainan’ny mpiara-belona manaraka sy mihaino ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao fotoana izao aloha dia samy miezaka ireo komity mpanohana kandida mampisongadina azy ireo. Misy ihany koa anefa ny toe-javatra mampalahelo mba tian’ireo mpiray tanindrazana ampitaina manodidina ity fampielezan-kevitra ity. Fantatra mantsy fa mandeha sahady, ohatra, ny karazana fampitahorana amin’ny endriny maro samihafa hataon’ireo mpanohana kandida miantefa any amin’ireo olom-pirenena izay tsara ihany ny mampahatsiahy fa manana ny safidy malalaka manoloana ny fandaharan’asa sy paik’adin’ireo mpifaninana 33 mirotsaka ho filoham-pirenena. Anisan’ny iharan’izany fomba mamohehatra izany ny any amin’iny distrikan’Avaradrano iny satria dia tsy mihafahafa mihitsy ireo mpiara-dia amin’ny kandida iray mampitandrina ireo mponina eny anivon’ny fokontany fa raha kely ny vato azon’io mpifaninana io ao amin’ireo biraom-pifidianana ireo dia iharan’ny fahatezeran’izy ireo. Mbola any amin’ireo toerana ireo ihany koa no ahitana ny fisian’ny fandrovitana afisin’ireo kandida hafa mpifaninana raha tsy voakasika mihitsy ny an’ity kandida ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.