Mitombo isan’andro ny isan’ireo olona tratry ny aretina homamiadana eto amintsika, araka ny fanadihadiana natao.
Aretina iray izay marihina fa tsy mamela mahazo tokoa, mety ho azo avy amin’ny alalan’ny sakafo hohanina, ny rivotra iainana, ny fifohana sigara, ny fiovaovan’ny toetr’andro…raha araka ny fanazavan’ny CLAYM etsy Ambavahaditokana Itaosy, ivontoeram-pitsaboana iray mitsabo aretina maro amin’ny alalan’ny tanimanga. Notsindrian’izy ireo manokana tamin’izany anefa fa anisan’ny ratsy indrindra ny homamiadan’ny avokavoka izay azo avy amin’ny alalan’ny fifohana sigara ary manomboka mandripaka ankehitriny. Mihoatra ny telo volana no hitsaboan’izy ireo ity karazana homamiadana iray ity. Sady mihinana tanimanga ilay marary no manosotra mandritra izany. Afaka mijanona eny an-toerana mihitsy ilay marary raha toa ka ilaina noho ny fananan’izy ireo hopitaly manokana hahafahana mitsabo ny marary. Na izany aza anefa dia nohamafisin-dry zareo eo anivon’ny CLAYM fa anisan’ny mbola tena olan’ny marary ankehitriny ny fahefa-mividiny ka tsy hahafahan’izy ireny mitsabo tena ara-dalàna. Anisan’ny mitsinjo izany ny CLAYM sady manome torohevitra maimaimpoana ireo olona salama mba hahafahana misoroka ny aretina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.