Tsy naharitra intsony fa dia naneho ny alahelony amin’ny tsy fandraisan-karama ny mpiasan’ny kaominina Antsirabe renivohitra ka tamin’ny alalan’ny fitokonana indray no nanehoany izany. Ny alatsinainy maraina 7 oktobra 2013 teo no nanomboka ny fitokonana. Ny teo anivon’ny sampandraharaha teknika tao amin’ny Voirie no nitarikaizany ny alatsinainy.
Nanaraka ireo avy ao amin’ny kaominina misahana ny fitantanana ankapobeny omaly talata. Sorabaventy no mivandravandra eo amin’ny Voirie miantso vonjy noho ny tsy fandraisan-karama efa roa volana. Ankatoky ny fampidirana mpianatra anefa ireo ray aman-dreny amin’izao fotoana. Raha ny nambaran’ireo mpiasa ihany dia ny volana jolay 2013 no nandray vola farany izy ireo
ka ny volana Aogositra sy ny Septambra ity takian’izy ireo ity. Ankoatra io moa dia mbola maro ny vola tsy voarain’izy ireo toy ny fisondrotan-karama taona 2011 sy ny 2012 ary ny 2013. Akoatra izay dia misy ny tohana manokana fanomen’ny kaominina ho an’ny fidiran’ny mpianatra no tsy mbola noraisina mihitsy tao anatin’izay telo taona izay. Nilaza ny tsy hiato moa ireto mpiasa ireto raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny mpitantana ny tanàna. Raha ny nambaran’ny Pds Antsirabe, Atoa Razafindrainony Beryl, dia zon’ny mpiasa no mitokona, saingy tokony ho taorian’ny fifampidinihana vao natao izany. Nambarany fa tsy manam-bola ny kaominina amin’izao fotoana izao, ka efa misy ny fitadiavana vahaolana hamahana izany, any amin’ny tompon’andraikitra foibe. Tsy mbola nahazo ny tohana manokana avy amin’ny fanjakana izy ireo hatramin’izao. Tantara mitohy indray moa ity fitokonan’ny mpiasan’ny kaominina ity ka dia hiaraha-mahita eo indray.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.