Antsirabe

> Nirefotra ny basy, lasa ny vola be


  • Alarobia 09 Oktobra 2013

Somary nangingina ny fanafihan-jiolahy tao Antsirabe tato ato izay, indrindra hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra izay.

Nirefotra indray nefa ny basy ny harivan’ny talata 08 Oktobra 2013 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany  teo Ambavahadimangatsiaka. Mpamongady zava-pisotro iray no notafihin’ny jiolahy niisa telo raha ny fanazavana nomen’ny tompon-trano. Nitondra fiara 4x4 ireo jiolahy ka nanapoaka basy in-telo.Tsy nahetsika ny tao an-trano satria efa nikasa hanidy trano no niditra izy ireo. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny vola maty tontolo andro izay nitentina 3 tapitrisa ariary. Nitsoaka nihazo ny Ranovisy moa ireo jiolahy taorian’izay. Tsy nisy ny nanenjika ka dia nafoy ny volabe. Taorian’izay dia nampandre ny mpitandro filaminana ny niharam-boina ka efa misokatra ny fanadihadiana. Raha tsahivina dia ny 30 Aogositra 2013 lasa teo no nanombohan’ity fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mpivarotra ity. Tamin’izay dia mpivarotra firavaka no lasibatra. Midika izany fa tsy foana ny fanafihana mitam-basy ao Antsirabe.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT