• Sabotsy 26 Oktobra 2013
Antohomadinika IIIG Hangar
Nandray anarana hanitsiana ny lisi-pifidianana

Na dia nizotra tamim-pilaminana aza ny fandatsaham-bato tety aminay Antohomadinika IIIG Hangar Boriborintany I eto an-drenivohitra, hoy ny filoham-pokontany am-perinasa Atoa Ranaivoarisoa Louis, dia nitrangan-javatra saro-bahana noho ny tsy firindran’ny lisi-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato 4 misy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Oktobra 2013
Lisi-pifidianana «manara-penitra»
Ny mpanisa mpifidy avy no tsy tao anaty lisitra

Saika itovizan’ny eran’ny Nosy ny olana nitranga tao Antsirabe nandritra ny fanatanterahana ny fifidianana omaly. Maro ireo mpifidy nanjavona na nampanjavonina tao anatin’ny lisitry ny mpifidy ka ny andron’ny fifidianana vao gaga fa tsy tao intsony ny anarany.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Oktobra 2013
Lisi-pifidianana, kara-pifidianana
Olana niraisana nanerana ny Nosy

Nahitana olana momba ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana avokoa ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Oktobra 2013
Noho ny fialonana
Maty voatifitra ny Sefo Fokontanin’i Ranotsara Benenitra

Nitrangana vono olona nahatsiravina omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora tany Benenitra, Distrika iray any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Oktobra 2013
Fifidianana filoham-pirenena
Tsy matotra ny fikarakaran’ny CENI-T

Hasosorana, hatezerana, menomenona no nanamarika ny tokontanin’ny birao-pokotany maro Nanerana ny Nosy. Olona tsy nahazo kara-pifidianana na koa tsy ao anaty listra izy ireo nefa te hifidy. Mbola nisy hatramin’ny 6 ora hariva ny olona nitady ny kara-pifidianany raha tetsy amin’ny birao-pokontany Anosizato Atsinanana 2 no resahana.

Hamaky ny tohiny
FTT