Nahitana olana momba ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana avokoa ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara omaly.
Na nizotra tamim-pilaminana aza ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany dia semban-drahona ihany noho ireo tsy fetezana maro be momba ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana, ka nahatonga ny Malagasy maro be tsy afaka nifidy, ary tena very zo tanteraka. Misimisy ihany ireo olona tezitra no sady nalahelo satria nahavita tsara ny fanisana ny mpifidy izy ireo, kanefa dia tsy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, no sady tsy nahazo kara-pifidianana. Tao koa ireo voasoratra ihany fa tsy nahazo karatra ka rehefa nitondra kara-panondro sy nohamarinin’ny tompon’andraikitry ny Fokontany miaraka amin’ny solontenan’ny CENI-T ny momba azy dia mba afaka nifidy ihany. Nisy koa ireo nahazo kara-pifidianana kanefa tsy hita anarana tao anaty lisi-pifidianana ka tsy afaka nifidy. Ity tranga farany ity dia tena mahatalanjona tokoa satria mampametra-panontaniana hoe olona tsy ao anaty lisitra ve dia tamin’ny fomba ahoana ary no nahazoany kara-pifidianana ? Ekena fa nanana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy, tokony hijery sy hanamarina ny anarany sy ny momba azy rehetra tao anatin’ny lisi-pifidianana, ary nanana volana maro nahafahana nanao izany, mialoha ny famaranana tanteraka ny fanamboarana ny lisi-pifidianana ny 9 oktobra 2013 lasa teo. Ny mahagaga anefa dia misy olona efa nodimandry 10 taona lasa mbola voasoratra ao anatin’ny lisitra ihany sady nisy nahazo kara-pifidianana. Tsy resahana intsony ny anarana niverin-droa na ny adiresy sy ny laharan’ny kara-panondrom-pirenena diso na mifamadika. Noho izany sampona rehetra izany dia maro ny Malagasy tsy afaka naneho ny safidiny omaly.
Raha ny firesaky ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto amintsika, Rtoa Fatma Samoura anefa dia tsy afaka ny hifidy amin’ny fihodinana faharoa ihany koa ireo rehetra tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana fa miandry fifidianana kaominaly. Tany amin’ny fiandohan’ity taona ity dia efa maro ny olona naneho ny ahiahiny momba io lisi-pifidianana io ka nangataka fanazavana tamin’ny CENI-T sy niantso azy mba hanitsy izay zavatra tsy mety rehetra. Nilaza hatrany anefa Rtoa Atallah Béatrice fa matihanina ny asa atao, efa vonona amin’ny 90%-n’ny CENI-T . Zavatra kely sisa no amboarina dia milamina ny ara-teknika fa miandry fotsiny ny fifanarahan’ny mpanao politika dia raikitra ny fifidianana milamina, madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tsikaritra anefa ankehitriny fa nametraka olana goavana tany amin’ny ankamaroan’ny birao fandatsaham-bato ny lisi-pifidianana sy ny karatry ny mpifidy, ary ny misy ny olona alaim-panahy hieritreritra mihitsy fa noho ny firehana politika ananany no mety naha voahilika azy tao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Miandry fatratra izay fanazavana omen’ny CENI-T sy ny fepetra, araka ny lalàna mety horaisiny ireo olom-pirenena tsy afaka nifidy, miandry ny mety ho hevitry ny CES ihany koa satria ity farany moa no hitsara ny raharaham-pifidianana sy handray ny fitoriana na fitarainana rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.