Lisi-pifidianana «manara-penitra»

> Ny mpanisa mpifidy avy no tsy tao anaty lisitra


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

Saika itovizan’ny eran’ny Nosy ny olana nitranga tao Antsirabe nandritra ny fanatanterahana ny fifidianana omaly. Maro ireo mpifidy nanjavona na nampanjavonina tao anatin’ny lisitry ny mpifidy ka ny andron’ny fifidianana vao gaga fa tsy tao intsony ny anarany.

Mahatratra an-jatony ireo olona tsy afaka nifidy raha tsy hilaza afa-tsy ny tao amin’ny Fokontany Miaramasoandro, Antsenakely, Mahazoarivo Atsimo. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Fokontany dia tsy olona teny anivon’ny Fokontany no nanao ny fanisana ka rehefa tsy tao ny tompontrano dia hadino tany. Nanamafy ny lehiben’ny Fokontany fa nandefa ny lisitra fanampiny tany amin’ny CED izy ireo saingy mbola izay ihany no nitranga. Raha ny marina moa dia nifanilika andraikitra fotsiny sisa ny CED sy ny Fokontany, ka tsy afaka nifidy ny maro izay liana tamin’ny fifidianana. Ho an’ny tao amin’ny Fokontany moa dia nahatsikaiky fa ireo mpanisa mpifidy indray no tsy tafiditra tao anaty lisitra rehefa nivoaka ny lisitra farany ary ny sasany dia samy iray trano dia ny sasany afaka nifidy fa ny hafa tsy nahazo karatra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT