Fifidianana filoham-pirenena

> Tsy matotra ny fikarakaran’ny CENI-T


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

Hasosorana, hatezerana, menomenona no nanamarika ny tokontanin’ny birao-pokotany maro Nanerana ny Nosy. Olona tsy nahazo kara-pifidianana na koa tsy ao anaty listra izy ireo nefa te hifidy. Mbola nisy hatramin’ny 6 ora hariva ny olona nitady ny kara-pifidianany raha tetsy amin’ny birao-pokontany Anosizato Atsinanana 2 no resahana.

Ireo mpiasan’ny Fokontany no niharan’ny rihatra izay nanilika ny andraikitra amin’ny CENI-T na vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana. Nolazain’ny sefo Fokontany Ambohitsoa fa avy amin’ny CENI-T avokoa no niavian’ny olana fa tsy misy hadisoan’ny Fokontany. Izay biraom-pifidianana rehetra notsidihinay omaly dia nahitana olana amin’ny resaka lisim-pifidianana sy karam-pifidianana avokoa. Naneho ny alahelony ihany koa ny  filohan’ny Fokontany Ampandrana Besarety tamin’ny praiminisitra fa lisi-pifidianana iray ihany no nomena azy ireo, izay tena tsy maharaka mihitsy satria 2000 ireo mpifidy voasoratra anarana sy nahazo karam-pifidianana, ka tena nanahirana be ny fitadiavana ny anarana sy filaharana. Taorian’ny
fandatsaham-bato dia nanambara ny praiminisitra Omer Beriziky fa ezahina harenina ny lesoka ary ho entiny avy hatrany amin’ny filan-kevitry ny minisitra sy ny governemanta ny fitarainan’ireo olona rehetra ireo amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Teny Atsimondrano dia nanamarika Rtoa Rasoaniaina Malalatiana, Filoha nasionalin’ny Vehivavy MFM, fa tao Andranonahoatra Itaosy fotsiny dia misy olona, efa-mianaka iray trano, nefa iray ihany no nahazo kara-pifidianana. Ary ny nahagaga, hoy izy, dia misy anaran’olona 12 hafa misoratra amin’ny adiresin’ny trano fonenan’izy ireo. Manoloana izany, hoy izy dia miahiahy ny maro fa lisi-pifidianana nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 2010 ihany no nampiasaina tamin’ity, fa tsy nisy fanavaozana ka nahakivy ny olona. Mibaribary izao, hoy hatrany ity kandida depiote Atsimondrano ity, ny lesoka nataon’ny CENI-T satria dia betsaka ny Malagasy noverezin-jo. Nambarany fa dia mijoro hiaro ny sadifidim-bahoaka ry zareo Atsimondrano.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT