Na dia nizotra tamim-pilaminana aza ny fandatsaham-bato tety aminay Antohomadinika IIIG Hangar Boriborintany I eto an-drenivohitra, hoy ny filoham-pokontany am-perinasa Atoa Ranaivoarisoa Louis, dia nitrangan-javatra saro-bahana noho ny tsy firindran’ny lisi-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato 4 misy.
Tsy matotra mihitsy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fokontany sy ny CENI-T nanatanteraka ny fandrafetana an’ireny lisitry ny mpifidy ireny, hoy ny sefom-pokontany ka nampimenomenona an’ireo very zo tsy fidiny tsy afaka nandatsa-bato. Maro ny mponina nahazo kara-pifidianana nefa tsy tao anaty lisitra mihitsy, hoy izy. Tao koa anefa ireo tsy voasoratra sady tsy nahazo karatra izay tsy nekena handatsa-bato mihitsy. Ho fitoniana ho azy ireo dia noraisina tao amin’ny birao manokana tao amin’ny Fokontany III G Hangar ny mombamomba ireo tsy voasoratra anarana ireo ka hatolotra miaraka amin’ny tatitra any amin’ny CENI-T ho lisitra fanampiny aorian’ny fifidianana sady hahafahana mampiditra ny anaran’izy ireo anatin’ny lisitra amin’ny fifidianana fihodinana faharoa. Mila manatona ny tompon’andraikitry ny Fokontany isanisany ny mpiasan’ny CENI-T, hoy Atoa Ranaivoarisoa Louis, amin’ny fanatanterahana asa toy itony hialana amin’ny olana ara-pandrindrana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.