Noho ny fialonana

> Maty voatifitra ny Sefo Fokontanin’i Ranotsara Benenitra


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

Nitrangana vono olona nahatsiravina omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora tany Benenitra, Distrika iray any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Raha araka ny fanazavan’ny filoham-paritry ny kaomisaonina misahana ny fifidianana, Atoa Talezy Edmond, dia notafihana dahalo nirongo basy ny biraom-pifidianana tao Ranotsara 1 km miala ny tanànan’i Benenitra, misy mpifidy voasoratra anarana 237. Vokatry ny tifitra variraraka dia sefo Fokontany iray no maty tsy tra-drano. Nisahotaka ny vahoaka ka nafindra tao Benenitra renivohitra ny latsa-bato, raha ny voalazan’ity tompon’andraikitra ity ihany.

 

Nilaza kosa ny lehiben’ny Faritra, Dimby Benaria Francois, raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, fa «lonilonim-piarahamonina efa nisy hatry ny ela no antony namonoan’i Refagna izay dahalo raindahiny an’io sefo Fokontany io imasom-bahoaka noho ny fialonana ihany satria samy manan-karena izy roa». Nanamafy teo anatrehan’ny mpanao gazety ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana, fa «efa nigadra ity Refagna ity noho ny fandratrana an’io sefo Fokontany io ihany, nefa nahazo fahafahana vonjimaika avy eo, dia izao izy namono nahafaty ity olona voalazany fa fahavalony mpanankarena ity. Tsy maintsy samborina i Refagna».

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT