• Talata 21 Janoary 2014
Hopitaly manara-penitra
Andry Rajoelina hitokana, Hery Rajaonarimampianina hitan-jiro ?

Mbola mitohy ihany tsy fanarahan-dalàna na dia efa nambara tamin’ny fomba ofisialy izao aza fa manana filoham-pirenena vaovao i Madagasikara. Asa na efa zatra nigalabona sy tsy norefesi-mandidy nandritra ny 5 taona nitantanany ny firenena ireo mpitondra mpanongam-panjakana ka mbola mieritreritra ny hitokana ny zava-bita manara-penitra indray amin’ity faran’ny herinandro ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Janoary 2014
Komity Miaro ny Fahamarinana
“Mila faharetana, firaisankina, fahavononana ny ady hatao”

“Efa fantatray fa holavin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny fitoriana napetrakay noho ny zava-misy efa iarahana mahita, eo amin’ny fifandraisana mivantana eo amin’ny fitondrana tetezamita, ny CENI-T ary ny CES.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Janoary 2014
Toamasina
Matahotra haneho ny heviny ny olona

Toa samy mbola miandriandry ny toromarika amin’izay lalan-kaleha nyolona. Toy izay raha bangoina ny fahitana ireo tompon’andraikitra sy mpilomano politika any amin’ny Faritany amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 21 Janoary 2014
Fikambanana VOT
Mitohy ny tolona

Miditra amin’ny dingana vaovao ny tolona hamerenana ny ara-dalàna araka ny fomba demokratika eto Madagasikara sy ny tena fahafahana marina ataon’ny Vondron’olon-tsotra na VOT.

Hamaky ny tohiny
FTT