Actualités

“Tsy mbola nahita raharaha tahaka ity nitranga ity aho hatramin’ny naha polisy ahy sy nihazonako kaomisaria teto Toamasina”. Izay no nambaran’ny Jly Ramilison Célestin lehiben’ny servisy misahana ny heloka bevava sy ny zaza tsy ampy taona eo anivon’ny Kao


  • Talata 21 Janoary 2014

“Tsy mbola nahita raharaha tahaka ity nitranga ity aho hatramin’ny naha polisy ahy sy nihazonako kaomisaria teto Toamasina”.

Raha ny zava-nisy mantsy dia dadatoan-jaza no sahy nivarotra 15.000.000 Ar ny zanak’anabaviny. Tsy fantatr’ireto mpivarotra anefa fa polisy no namandrika azy ireo noho ny vaovao efa azon’ireto polisy mialoha fa misy olona mivarotra olona ao Ankirihiry.  Resaka varotra taolam-paty tamin’izany “Franck” monina ao Fenoarivo Atsinanana izany no niatombohan’ny raharaha. Nilaza ho nahita “bizina” taolam-paty mantsy ireto roalahy mpinamana. Raha tsy hita tamin’ny fotoana nifanomezana i “Franck” dia tapa-kevitra ny hivarotra ny zanak’anabaviny vao sivy taona ary mpianatra ao amin’ny EPP Analamboanio izay mipetraka ao aminy ilay rangahy ny 18 janoary lasa teo. Tsy tao Toamasina rahateo ny anabaviny renin’ilay zaza tamin’io fa lasa tany ambanivolo. Tsy nanda ny varotra olona nataony izy roa lahy mpinamana ireto rehefa tratra fa nambarany kosa fa sambany izy ireo no nivarotra taolam-paty sy nivarotra olona tahaka izao. Miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izy ireo taorian’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly hariva. Avotra soa aman-tsara kosa ilay zazalahy ary efa tafaverina amin’ny reniny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT