Toamasina

> Matahotra haneho ny heviny ny olona


  • Talata 21 Janoary 2014

Toa samy mbola miandriandry ny toromarika amin’izay lalan-kaleha nyolona. Toy izay raha bangoina ny fahitana ireo tompon’andraikitra sy mpilomano politika any amin’ny Faritany amin’ny ankapobeny.

“Tsy mbola manan-kambara”, na koa “ho avy ny fotoana”. Toy izany hatrany no re amin’ny mpanao politika, indrindra fa ireo tsy dia niandany mivantana amin’ny filoham-pirenena nambaran’ny CES farany teo fa lany no anontaniana. Azo lazaina fa efa nampoizina ihany iny voka-pifidianana nivoaka iny , hoy kosa ny olon-tsotra sasantsasany tsy te-haneho hevitra kanefa toa te-hanambara zavatra maro rehefa nohadihadiana lalindalina kokoa. Raha fehezina, tsy mbola sahy manambara izay heviny amin’ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao ny olona. Ho an’ny olon-tsotra moa dia betsaka ireo miady hevitra eny am-pividianana gazety amin’ireny tranombarotra kely mpanjifa izany, misy koa ny mba miezaka mifandresy lahatra eny an-dalambe rehetra, fa ny itovizana dia ny ahiahy ny ampitso, ny amin’ity fahasahiranana efa tafahitsoka lalina ka efa manao kajy an-kandrina sahady izay mety ho fidangan’ny vidim-piainana atsy ho atsy na dia efa nampanantena asa ho an’ny tsy an’asa, filaminana sy fiverenan’i Madagasikara amin’ny laoniny aza ny filoha nambaran’ny CES fa lany. Nivalona iny ny pejin’ny fifidianana filoham-pirenena, hanao ahoana indray ny momba ny solombavambahoaka ? Ho an’i Toamasina voalohany manokana dia toerana roa no miandry.

Mitarika aloha ny kandida natolotry ny MAPAR, Dr Ndahimananjara Johanita, fa manaraka azy eo koa ny kandida natolotry ny FIMAMI, Dr Benesy Harison Sébastien, ity farany izay efa nanambara mazava fa raha manaraka ny fomba fikajy araka ny lalàna dia samy tokony hanana toerana iray avy, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ny kandidà roa voalohany. Dia lasa indray ny eritreritry ny mpanara-baovao, ho inona indray no hivoaka amin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana avoakan’ny CES ? Ho an’i Toamasina manokana aloha dia ireo mpanohana mivantana ny kandida Hery Rajaonarimampianina no efa nanolotra fiarahabana sy naneho fiaraha-miasa ny faran’ny herinandro teo, fa ny hafa kosa dia tsapa fa samy mbola an-dalana ny fampitam-baovao avy amin’ny foibeny avy ny amin’izay lalan-kaleha sy hevitra tokony haseho, indrindra amin’ny sehatry ny haino aman-jery samihafa. Azo antoka fa ho re feo avokoa atsy ho atsy ireny sokajy rehetra ireny.

Fanja

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT