Vidin-tsolika

> Mila miomana ireo mpanjifa Malagasy


  • Talata 21 Janoary 2014


 

Matoa nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny filankevitry ny governemanta farany teo amin’ny fitazonana ny vidin-tsolika amin’izao fotoana izao ireo orinasa mpaninjara dia mba ho fitsinjovana ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, hoy ireo tompon’andraikitra mpitantana toeram-pivarotana solika. Iaraha-mahalala mantsy ny tena fahasahiranana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana vokatry ny krizy politika izay efa mihanaka any amin’ny lafiny ara-toekarena ihany koa, hoy ny fanampim-panazavan’izy ireo. Efa niharitra fiakarana in-droa miantoana rahateo ny fiarahamonina malagasy tamin’iny taona nivalona 2013 iny ka sarotra raha amin’izao fotoana izao no hampihatra ilay elanelana 500 Ariary isaky ny litatra ny eny amin’ny toeram-pivarotana solika. Na izany aza dia efa mampiomana sahady ny mpanjifa ireto tompon’andraikitra ireto fa tsy maintsy hisy ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ity taona vaovao 2014 ity mba hamenoana io hantsana io. Na ho ela na ho haingana mantsy dia tsy maintsy hihatra eto Madagasikara ny tena vidin-tsolika mifanaraka amin’ny zava-misy.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT