Komity Miaro ny Fahamarinana

> “Mila faharetana, firaisankina, fahavononana ny ady hatao”


  • Talata 21 Janoary 2014

“Efa fantatray fa holavin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny fitoriana napetrakay noho ny zava-misy efa iarahana mahita, eo amin’ny fifandraisana mivantana eo amin’ny fitondrana tetezamita, ny CENI-T ary ny CES.

Averinay ho fantatry ny Malagasy anefa fa tsy manaotao foana izahay, nitondranay porofo ny fitarainana sy ny fitoriana napetrakay mba handraisana fepetra araka ny lalàna sy ilay fanovana natao tanjona teto”. Izay no nambaran’Atoa Andrianiarifera Malalaniaina, filoha lefitry ny Komity miaro ny fahamarinam-pifidianana ao Toamasina raha nilaza ny zava-misy ny tenany. Ady sarotra anefa no atao satria tsy matahotra ny hamono olona amin’ny fiarovana tombontsoa manokana efa azony tao anatin’ny dimy taonan’ny tetezamita ny mpitandro ny filaminana sy ireo vahiny mpiara-dia nomena tombontsoa mihoapampana manokana amin’izy ireo, ka nilazan’Atoa Andrianiarifera Malalaniaina hatrany fa mila matotra tsara ny hetsika atao, mila mailo amin’ireo tsy vonona hiaro ny safidim-bahoaka marina sy ireo mpamadika miditra eo anivon’ny fikambanana. Noho izany mila faharetana, firaisankina, fahavononana ary fahamatorana ny ady sy ny hetsika atao rehetra, mba hahitana vokany tsara nefa tsy hanimba ny firenena sy ny vahoaka efa nampahantraina izao. Miandry ny tapaky ny Komity foibe ny hetsika atao aty amin’ny faritra, ka raha voaray izay toromarika rehetra dia mihetsika manara-dia ny mpiaro ny safidim-bahoaka marina manerana ny Nosy ny ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT