Hopitaly manara-penitra

> Andry Rajoelina hitokana, Hery Rajaonarimampianina hitan-jiro ?


  • Talata 21 Janoary 2014

Mbola mitohy ihany tsy fanarahan-dalàna na dia efa nambara tamin’ny fomba ofisialy izao aza fa manana filoham-pirenena vaovao i Madagasikara. Asa na efa zatra nigalabona sy tsy norefesi-mandidy nandritra ny 5 taona nitantanany ny firenena ireo mpitondra mpanongam-panjakana ka mbola mieritreritra ny hitokana ny zava-bita manara-penitra indray amin’ity faran’ny herinandro ity.

Efa nampalaza ny fitondrana tetezamita no nanao izay saim-pantany sy nanatanteraka izay metimety aminy tao anatin’izay 58 volana nangalan’izy ireo ny fahefana tamin-kery izay ka tsy dia mahagaga ireo mpanara-baovao intsony ny zava-misy eto amin’ny firenena. Sarotra rahateo angamba ny hifampiteny sy hifananatra raha samy tsy mpanara-dalàna izao ihany no hifandimby amin’ny toerana filoham-panjakana izay samy niainga tamin’ny fahefana teny amin’ny arabe. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny fiarahabana avy amin’ny filohan’ny tetezamita ilay filoham-pirenena vaovao ambara fa nofidian’ny ampahany amin’ny vahoaka malagasy na dia efa maro ihany aza ireo mpanao politika malagasy sy ireo manampahefana vahiny no niarahaba ity kandidam-panjakana lasa filoham-pirenena ity. Ny tsy mazava amin’ny maro dia ny antony nanafainganana ny famoahana ny voka-pifidianana nefa tsy afaka ny handray ny andraikitra amin’ny maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy ny prezida vaovao.

Raha efa fantatra mialoha ihany koa ny fandaharam-potoanan’ny fiadidiana ny tetezamita ny amin’ny tsy maintsy hifamotoanany amin’ireo mpanohana sy mpiara-dia aminy eny Andohatapenaka dia naninona raha nahemotra ilay lanonana teny Ambohidahy ? Raha hanatrika ilay fitokanana ny hopitaly manara-penitra ihany koa moa izany ny filoha lany ara-dalàna, dia hanao ahoana indray ny mikasika ny fandaminana ny arofenitra ? Ho lasa filoha roa mantsy no ho tonga eny an-toerana. Sa ho mody fanina andriamatoa filohan’ny HVM dia tsy hanatrika ity seho farany goavana izay mampiavaka ny fitondrana tetezamitatra notarihan’i Andry Rajoelina ity ? 

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT