Fikambanana VOT

> Mitohy ny tolona


  • Talata 21 Janoary 2014

Miditra amin’ny dingana vaovao ny tolona hamerenana ny ara-dalàna araka ny fomba demokratika eto Madagasikara sy ny tena fahafahana marina ataon’ny Vondron’olon-tsotra na VOT.

Nanao jery todiky ny ezaka vitany nandritra ny dimy taona nijoroany ny fikambanana nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2014 niaraka tamin’ny mpikambana manerana ny Nosy tao amin’ny Sekoly Rasalama ny alahady 19 janoary lasa teo. Tamin’izay no nambaran-dRtoa Zoé Sarah, mpandrindra nasionalin’ny VOT fa «tsy mbola tratra ny tanjona nitolomana sy nijoroan’ny VOT, anisany ny famerenana ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka noho izany dia mitohy ny tolona satria mbola voahosihosy fanindroany indray ankehitriny ny safidin’ny vahoaka Malagasy maro an’isa». Nanao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy mba tsy ho kivy na hihemotra ny VOT fa ho sahy hijoro hatrany hiaro ny marina. Manaitra ny sehatra iraisam-pirenena koa ity fikambanana ity mba hitana ny teny nataon’izy ireo hanatanterahana ny tondrozotra nataon’ireo mpanao politika sonia fanekena, indrindra ny famerenana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ny famoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja ary fahazoan’ny olom-pirenena maneho hevitra malalaka. Nanao antso amin’ny foloalindahy koa ny VOT mba tsy hanao herim-pamoretana ny vahoaka manao fitakiana ampahamarinana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT