• Alatsinainy 18 Novambra 2013
«Grands dossiers»
Maro no hotsaraina

Mitodika any Toamasina avokoa ny sain’ireo dokotera mpikamban’ny holafitry ny mpitsabo (CROM) sy ny fianakavian’ireo voarohirohy manomboka anio.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Novambra 2013
Kandidà depiote Boriborintany I
Nisy namono Ramamibe lohalisitry ny MDM

Nisy nitifitra tao amin’ny trano fivoahana teo an-tokotanin’ny trano fonenany etsy Ambodin’Isotry, ny sabotsy 16 novambra tamin’ny 8ora sy sasany alina ka maty tsy tra-drano, Rakotobe Mamison Antonio Victorio na Ramamibe mpitarika ny MDM ao Ambodin’Isotry ary lohalisitry ny kandidà ho solombavambahoaka amin’ny fifidianana hotontosaina ny 20 desambra ho avy izao ao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Novambra 2013
Fanamafisana ny fahaizamanao
Vehivavy kandidà depiote 17 nofanin’ny EISA

Vehivavy kandida ho solombavambahoaka miisa 17 amin’ ireo 25 nilatsaka hofidina avy amina Faritra dimy ka ny efatra amin’ireo ao anatin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha niampy ny Faritra Ihorombe no tonga nanatrika atrikasam-piofanana fanamafisana ny fahaizamanaon’ny vehivavy kandidà amin’ny fifidianana depiote ho avy izao, nandritra ny telo andro nifarana ny zoma lasa teo, tao amin’ny “Hotel Amazone” Toliara.

Hamaky ny tohiny
FTT