Mitaraina mafy ary manao antso avo amin’ny mpitondra sy mpitandro ny filaminana i Hatrefindrazana Jerry, solombavambahoaka voafidy tany Tolagnaro fa mandeha be ny fanapahana sy fanondranana andramena any amin’ny morontsiraka Anosy iny. Sambo telo izao no efa nanao izany tamin’ny herinandro teo ary roa herinandro lasa izay dia nisy sambo be iray efa naka andramena 7 kamiao, hoy ihany ity solombavambahoaka ity. Mila mandray fanapahan-kevitra haingana ny fitondrana hanakanana izany, araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, hoy izy. Maro be mantsy izao ireo vahiny mivezivezy amin’ny fiara tsy mataho-dalana sy moto manao izany any an-toerana ary mihorohoro noho izany ny vahoaka any an-toerana nefa tsy mba misy mandray fepetra na ny mpitandro filaminana aza.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.